Webradio

FIFIDIANANA DEPIOTE ANTSIRABE II : Natontongan’ny IRD ny TIM tao Vakinankaratra

Hita taratra nandritra iny fifidianana solombavambahoaka notontosaina tamin’ny 27 Mey iny ny faharesen-dahatry ny mponina ao Vakinankaratra amin’ny fanohanana ny Filoha, Andry Rajoelina.  18 juin 2019

Rehefa namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Céni tamin’ny sabotsy teo dia niharihary toy ny vay an-kandrina fa niova ho volomboasary tanteraka ny vahoakan’i Vakinankaratra. Nandresy tamin’ ny salan’ isa ambony dia ambony ny kandidàn’ ny Isika rehetra miaraka amin’ i Andry Rajeolina, andriamatoa Alfrèd Andriamanampisoa, raha ny tao amin’ny Distrikan’Antsirabe II no resahina. Araka ny fanazavan’ ity farany, “toerana nanjakan’ ny antoko Tiako i Madagasikara, Antsirabe, Manjakandriana, ary Arivonimamo, ka amin’ ireo toerana ireo dia tsy mitombina velively ilay fomba fiteny hoe :  ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dray no enti-mangataka ”. 

Mahatsapa aho, hoy izy fa ny isam-batan’ olona mihitsy no efa resy lahatra amin’ ny asa fampandrosoana ka manomboka mijery lavatra. Nomarihiny mazava ihany koa fa “ tsy mitovy amin’ ny fifidianana Filoham-pirenena ny fifidianana Solombavam-bahoaka. Satria manakaiky ny vahoaka kokoa itsy farany ary izay maharesy lahatra ny vahoaka no fidian’ ny olona. Taty amin’ ny Kandidà miaraka amin’ ny Filoham-pirenena sy ny Elgeco plus no nitambatra ka nahazoana ny vokatra ambony tao amin’ ny Distrika Antsirabe II ”. Resy lahatra ity kandidà nibata fandresena tao Atsirabe II ity fa “ tonga ny fotoana tokony hitondrana ny anjara  biriky amin’ ny fampandrosoana ny tanindrazana. Hitako fa marobe ny lesoka amin’ ny fampandrosoana eto amin’ ny Distrika misy anay ka aleo hampandrosoana amin’ izay”, hoy ny fanazavany,  izay vonona hanoratra pejy vaovao ho an’Antsirabe II.  

N.A


FIFIDIANANA DEPIOTE ANTSIRABE II
2019-06-30 18:26:00 par bordeaux 33000

Gaza omena vahana NY Tim sy NY forongony eto madagascar. Ampy NY jadona sy fampigadragadraina atsika côtier am toetr raciste n io rangahy io.mangalara vato maximum andresena an i Tim .ry madama mpmoaka vaovao am mbs. Mialaa ao anao fa hipocriten dravalo ametrahany anao ao.hitany valim pifidianana tam filoha tel fa atsika côtier TS ni la azy.fa zareo tana ihany.io raha tam firondrana teo ?% azony ambony ao a tana ihany ni asehony de la y izy ozy izy. Fa valim pifidiananan tsika avy am faritr tsy jereny.hitanareo ? Mbolamiharihary TS fanjariany.sy raciste nazy. Mbola TS vita fabisam bâti ? UEFA la y ahi ozy. Anfah alikalagin ialahy zahay côtier nigasragadrainao ? Agnantegna ahazo vato aminay côtier anao ?? Gaza manantena.vinavingaina latsalatsaina i rajoelina Joe 2002 2002 nanonga mpanjakana. Moa va TS fanonganam pnjakana ni Naha filoha anao ??? Tam 26 tel nifampiantso anareo telo lahy rats iraka sy rajao fanina kolikoly TS niatrika fety.hay ianareo telolahy ty mi hypocrite tay ?? Miseho milay imasom bahoaka tam réconciliation ?? Hay marina ihany tenin dajoelina hoe miha tsaravelatsihy.efa zatra manal tanteli afadrakotra volam baoaka refa 26 manao fihinanana am volambahoaka. Nifoan drajoelina.narary FO ry telo lahy.narary FO anie ry zalahy ao NY menatra satria efatra taona teo irajao faninakolikoly .vao voalohany i TGV tel a podium namohan irjelina Antonov ho an tfika. Afaliana tisy ohatrizany NY vahoaka. Mijereo mbs moa ianareo. Na i rajoelina nikabary TS hitanao nase on i mbs.fako après NY fety am terrain no nahamaika an i mbs naseho . azony menatra loatra sy mialona an i rjoelina,lot on NY Tananarive nandritr fitondrana maire ni lalaonodiana tsy hita a !!

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés