Webradio

FAHA-59 TAONAN’NY FAHALEOVANTENA : Niarahaba ny vahoaka Malagasy ny Filohan’i Etazonia

Tsy nanadino fa isan’ireo nahatsiaro  an’i Madagasikara tamin’ny fiverenan’ny faha-59 taona nahazoany fahaleovantena ny Filoham-pirenena Amerikanina, Donald Trump.  27 juin 2019

Nisy ny taratasy mivantana nalefany ho an’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Tao anatin’izany no nitondrany teny firariantsoa ho an’ny mpitondra sy ho an’ny firenena. 

Nambarany fa amin’ny anaran’ny vahoaka Amerikanina tsy ankanavaka no itondrany ny teny fiarahabana ary nanamafisany ihany koa fa ny governemanta Malagasy sy ny governemanta Amerikanina dia mifanohana sy miara-miasa hatrany eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ny lafiny ara-pahasalamana. Nohamafisiny fa vonona mandrakariva ihany koa i Etazonia eo amin’ny fampandrosoana maharitra miompana amin’ny lafiny ara-tsosialy mba hahasoa ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés