Webradio

ZAVA-MISY

FANDATSAHAN’AINA AN’I GAEL TENY 67 HA : Tratra tao Toliara i Jibril izay nahavanon-doza

Raha toa ka efa ela nokarohina i Jibril,  ilay lehilahy tompon’antoka  tamin’ny famonoana ho faty  an’i Gael teny amin’ny manodidina an’i 67 ha, ny  volana desambra 2017 lasa iny  dia tra-tehaka ihany ity  farany.    9 juillet 2019

Tonian’ny  mpampanoa lalàna  tao  Toliara no nahatsikaritra ny lehilahy  ary voamarina tamin’ny  fikarohana natao rehetra toy ny tahirin-tsariny. Niandrasana kendry tohana ity farany  ka voasambotry ny  zandary  ny faha 12 jona 2019 lasa teo. Nandritra ny fanadihadiana  natao azy dia  voaporofo tokoa fa ity  lehilahy ity no tompon’antoka tamin’io  vono olona io. Niaiky  ny heloka vitany  izy  ka   taorian’izay  dia nadoboka am-ponja tao Toliara.

Raha ny loaharanom-baovao  voaray hatrany anefa dia fantatra fa   hafindra ao amin’ny  fonjan’i Tsiafahy  i Jibril ato ho ato  ary efa eo am-pikarakarana izany  ny tompon’andraikitra. Manoloana ity  tranga ity ihany koa anefa  dia  nisy  ny resaka mandeha fa  misy  mpandraharaha iray avy any amin’ny  Faritra Sava iny  izay mitady  ny fomba rehetra hamotsorana ity nahavanon-doza ity. Manohy ny fiambenana sy  ny  fikarohana lalina moa ny  mpitandro filaminana  hatreto mahakasika ity tranga ity. 

Raha tsiahivina kely ny zava-nitranga tamin’ny  fisehoan’ny loza dia novonoin’i Jibril   tamin’ny fomba mahatsiravina  teny akaikina toerana fisotroana zava-pisotro mahamamo iray  ao 67 ha  i Gael ary  notsindrominy  tamin’ny  tavoahangina labiera ny faritra misy ny tendany ka namoy ny ainy teny amin’ny hopital HJRA. Tafatsoaka ny nahavanon-doza taorian’izay  saingy  izao  tratra izao roa taona aty  aoriana. Tsara ny manamarika fa efa namono olona maro hafa ihany koa i Jibril ka anisan’izany tanora iray  tany Sambava tamin’ny taona 2014.  

Tatianà R. sy A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés