Webradio

LOZAM-PIARAKIODIA TAO TOLIARA : Mpandeha miisa 14 naratra mafy

Araka ny   loharanom-baovao voaray,   omaly  avy ao an-tampon-tanànan’i  Toliara dia fantatra fa  nisehoana lozam-pifamoivoizana  nahatsiravina tany amin’ny 40 km  tsy  nidirana ny tanàna, ny alahady alina lasa teo iny.  10 juillet 2019

Fiara taksiborosy niala lavaka   no nahatonga ny loza izay niafara tamin’ny fivadibadihan’ny fiara. Vokany, saika naratra mafy  avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny. Voalaza tamin’izany aza fa miisa 14 eo  ireo mpandeha tena voa mafy  ary mbola mitsabo tena ao amin’ny Hopitalibe avokoa hatreto.  

Fahatapahan’ny tongotra sy tanana no  tena  nahavoan’ny ankabeazan’  izy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny  fanohizana ny fanadihadiana ity   tranga ity amin’izao fotoana izao.  Eo anatrehan’ny   lozam-pifamoivoizana  misesilany  amin’ny lalam-pirenena fahafito  iny dia tsy mitsahatra manentana  ireo mpampiasa lalana hatrany  ireo  mpitandro filaminana misahana ny  fifamoivoizana  ny  mba hitandremana satria dia  nohamafisin’izy  ireo    fa  saika vokatry ny tsy  fitandremana, toy ny  tsy  fanajana ny hafainganam-pandeha no tena isany   mampirongatra ny lozam-piarakodia eto amintsika, indrindra fa iny lalam-pirenena fahafito iny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés