Webradio

MORAFENO - TOAMASINA : Raim-pianakaviana iray matin’ny fanafody mampihenjana

Nanjary lasa nahazo vahana tato to any fahafatesana anaty tranon-diopy ny fihinanana fanafody mampatanjaka.  10 juillet 2019

Raha tsiahivina, ny volana febroay, dia ramatoa iray no maty tao amin’ny tranon-dopy tao Valpinson. Ny volana marsa, teratany vahiny iray no maty irery tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny iray tao Morafeno.

Ny sabotsy 6 jolay lasa teo, dia raim-pianakaviana iray 38 taona manambady aman-janaka no maty tao anaty efitrano fandraisam-bahiny mbola tao Morafeno hatrany. Ho an’ ity farany dia raim-pianakavina 38 taona ary manambady aman-janaka ihany koa fa saingy nitondra sakaiza hiara-hatory any amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny sabotsy alina ka ny alahady vao samy hivoaka tao fa saingy fahafatesana no azo.

Ny loharanom-baovao voaangona tamin’ ireo fianakavian-dramatoa, vady voahitsakitsaka, dia nilaza fa vokatry ny fihinanana fanafody sy karazan-java-pisotro mampatanjaka efa nihoatra ny dozin’ny zakan’ny vatany no nahatonga ny fahafatesany  ; tamin’ny nifampiresahana tamin’ ireo fianakaviany dia efa nalefa any amin’ny lalam-pirenena fahadimy ny razana. Nohamafisin’ny loharanom-baovao hatrany fa tsy fantatra satria nitsoaka ilay vehivavy niaraka taminy ary tsy nisy fandraisana mombamomba ilay ramatoa tao amin’ny trano fandraisam-bahiny fa an’ ilay lehilahy ihany.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés