Webradio

TAMBIN-KARAMAN’NY MPAMPIANATRA FRAM : Mandrahona ny tsy hampanao “CEPE” ny ao Amboasary Atsimo

Mbola tsy voavaha hatreto ny olan’ny mpampianatra Fram  mahakasika  ny tambin-karama,  izay mbola tsy voaloa efa nitondrana fitarainana am-bolana maro. 12 juillet 2019

Eo anatrehan’izany indrindra  dia  fantatra tamin’ny angom-baovao  voaray  amin’izao fotoana  fa mandrahona ny tsy hampanao ny fanadinam-panjakana  Cepe ireo mpampianatra Fram  ao anatin’ny Distrikan’ Amboasary  Atsimo, Faritany Toliara. Tsy mbola voaray mandraka androany  ny tambin-karama fito volana, hoy hatrany ny fitarainan’izy ireo, hany ka tsy maintsy maneho ny hatezerana   mba hitadiavan’ny tompon’andraikitra mahefa ny  vahaolana. 

“Mbola mamerina  ny antso avo izahay satria mamelom-bady aman-janaka, izay ahiana ara-pahasalamana, ara-tsakafo, ara-pianarana ary ara-pivelomana”, araka ny nambaran’ny solontenan’ireo mpampianatra Fram any an-toerana. Tsara moa ny manamarika fa hotanterahina  ny 27 aogositra 2019 ho avy izao  ny fanadinana Cepe manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.  Miisa 524 997 ny isan’ny mpiadina hiatrika io fanadinana ara-panjakana voalohany io, ka mpianatra manana fahasembanana ny 82 amin’izy ireo. Arahina akaiky moa hatreto ny tohin’ny raharaha ao Amboasary Atsimo manoloana  izao fitarainana  izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés