Webradio

OMBY HALATRA : Saron’ny zandary tao Ambohimanga Rova ilay tambajotra goavana

Ny alin’ny 10 hifoha 11 mey 2019 lasa  iny, tambajotra mpanodinkodina omby halatra no saron’ny Zandarimariam-pirenena Ambohimanga Rova raha ny tatitra voarainay teo am-panoratana ny lahatsoratra, omaly.  12 juillet 2019

Araka ny zava-nisy tamin’izay fotoana izay  dia  halatra  omby miisa no  3 niseho tao amin’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Tokony ho tamin’ ny 08 ora sy sasany alina tany ho any, nisy andian-jiolahy tsy nampiasa basy  mahery vaika,  saingy nitora-bato mba  hoentina hampitahorana ny tompon’omby nandritra ny fanafihana.  Ora  telo taorian’ izay vao naheno ny mpitandro filaminana ka nirotsaka an-tsehatra nanampy ny  fokonolona.

Rehefa nantsoina ny tompon’omby nanara-dia dia tsy nandray telefaonina. Roa andro taorian’ny halatra dia tafaverina ny roa tamin’ ireo omby ireo, izay marihina fa ny tompon’omby ihany no naka ny omby tany amin’ny mpangalatra.  Nandeha ny famotorana lalina  momba ny zava-niseho ary fantatra taty aoriana fa mpinamana  ilay tompon’omby sy ireo mpangalatra. Vokatry ny valifaty noho ny tsy fahavitan’ity tompon’omby ity ny vola vidin’omby novidiny teo aloha tamin’ ireo mpangalatra no nahatonga ny fanafihana. 

Nandritra ny fitohizan’ny fanadihadiana hatrany  koa  no nahitana fa omby tsy mazava avy any amin’ny faritra maro any avaratra any ireo omby namidin’ ny mpanafika tamin’ny tompon’omby ka fantatr’ ity farany tsara izany.  Ilay tompon’omby indray avy eo no voalaza fa  mitady lalam-barotra hivarotana ny hena.  Rehefa lafo ny hena  izay vao aloa ny vidin’omby.  Voaporofo noho izany  fa  efa  tambajotra lehibe ireto farany,  izay misy ny mpandroaka ny omby halatra, ny mpividy, ary ny mpivaro-kena no tratra,  ny tompon’omby  kosa no ivo mampihodina io asa ratsy io. Vokany, voasambotra  ireo olona  miisa dimy miaraka amin’ny  tompon’omby, ny roa hafa kosa mbola karohina fatratra.  Hiakatra  fampanoavana anio zoma 12 jolay 2019 moa ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés