Webradio

SAKAN-DALAN’NY POLISY : Rongony 16 kg sarona, voasambotra ireo efa-dahy tompon’antoka

Misesilany ny fahatrarana ireo tambajotra mpanao aferana zava-mahadomelina  eto amintsika tato ho ato. Lehilahy  miisa efatra  indray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny «  Commissariat Central Antsirabe  », noho ny  fahatrarana rongony  saika hoentina hiakatra eto   Antananarivo. 12 juillet 2019

Sakan-dalana nataon’ny Polisy avy ao Antsirabe tamina taksiborosy mampitohy an’i Fianarantsoa sy Antananarivo no nahasaronana rongony milanja 9 kilao izay natao tao anaty gony miisa roa miampy    harona iray ny talata 09 jolay lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora30 maraina tany ho any. 

Tra-tehaka tamin’izany ny lehilahy anankiroa izay  voalaza  fa tompon’entana.  Voaporofo tamin’ny loharanom-baovao hatrany  fa avy ao Ihosy no nangalan’izy roa lahy ilay rongony ary nifindra fiara tao Fianarantsoa izy ireo ka saika hamidy eto an-drenivohitra saingy izao tra-tehaka izao.  Ankoatra izay, ny ampitson’ny alarobia 11 jolay tokony ho tamin’ny 03 ora maraina,  dia  taksiborosy mampitohy an’ Ihosy sy Antananaraivo  indray no nosavain’ny Polisy tao Antsirabe ka nahatrarana rongony milanja 07 kilao. Roa  lahy ihany koa ny tompon’ilay entana ary dia notanana avy hatrany izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa avy  any Ambovombe indray no nakan’izy ireo ilay rongony. 

Manamarika ny fitobahan’ny zava-mahadomelina eny amin’ny lalam-pirenena fahafito iny ireo tranga miisa roa ireo ka eo anatrehan’izay indrindra dia manamafy ny fanaraha-maso akaiky  ny eo anivon’ny  mpitandro filaminana raha ny tatitra voaray hatrany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés