Webradio

POLITIKA

RANJEVA RAYMOND : Tsy ho “vazaha mainty” mihitsy ny Gasy

Malahelo ny zava-mitranga ankehitriny eto Madagasikara ny tenany ka niantso ny mpanao gazety hiara-kitafa aminy tao an-tranony ao Ambaranjana (Antananarivo). 14 juillet 2010

Maro olomanga ny tanindrazantsika ary anisan’izany ny Profesora Ranjeva Raymond. Mpanao gazety teo aloha ary Malagasy voalohany nitana ny toerana filoha lefitra tao amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena faratampony, ambony indrindra eran-tany, ao La Haye (Pays-Bas).

Malahelo ny zava-mitranga ankehitriny eto Madagasikara ny tenany ka niantso ny mpanao gazety hiara-kitafa aminy tao an-tranony ao Ambaranjana (Antananarivo). Atolotray anao eto ny dingana voalohany tamin’izany resaky ny mpianakavy izany.

Raha vao nanomboka ny dinidika dia nilaza ny Profesora fa firenena nahaleontena i Madagasikara ary nanana ny maha-izy azy sy noraisin’ny firenena maro tahaka. “Tsy ho vazaha maintsy” mihitsy isika Malagasy hoy izy ka ny kolontsaina malagasy no tokony hirosoantsika fa tsy ny kolontsaina vahiny velively mba hirosoana any amin’ny fandrosoana sy fivelarana.

Mampahatsiahy koa izy fa efa fahoriana no mahazo antsika ankehitriny fa tsy krizy intsony. Didin-Janahary no hipetrahantsika eto ary nosy isika ka miara-mipetraka eto.

Ny tany rehetra dia mbola mitomany hoe ahoana no hazaoana izany firaisana izany, isika kosa anefa dia lalàn-Janahary no nametraka ka isika ihany no mandrafitra sy mandinika, mandrindra ary mieritreritra izany fiarahamonina izany. Efa lany andro ny politikan’ireo mpanjanatany ary efa reraka be izy ireo tao aorian’ny ady lehibe faharoa ka zara aza nanana ireo tany izay nozanahany mba hamelona azy.

Taty aoriana anefa rehefa tanteraka ny nilavany antsika dia tsy naniry intsony izy ireo ny hiantoka ny fampandrosoana ny zanataniny ka ny resaka fiarahana mitantana dia “resaka matavy” fotsiny ary izany no nahatonga ny famerenana ny fahaleovantena an’i Madagasikara.

Tsy tokony ho adino fa tsy mitovy amin’i Algérie isika satria ny Malagasy dia efa firenena nanana ny fahaleovantenany tany aloha ary tsy nanam-paharoa isika teo amin’ny tantaran’ izao tontolo izao.

Tsy nokolokoloina akory isika fa tena nahazo ny fanambeazana anglisy tamin’ny andron’i Radama ary niaraka tamin’i Rambolamasoandro. Ny fifaneken-dRadama no lasitra nitondran’ny fanjakana Anglisy ny Afrikanina sy Karana.

Isika dia nialoha lalana an’i Japon. Nobadina ary nozanahana anefa isika taty aoriana ka ankehitriny kosa dia tsy tokony hakatahaka sy handray vonona intsony. Tsy zaka intsony ny fanjanahana teo aloha, na eo amin’ny lafiny toe-tsaina na eo amin’ny lafin’ny fotokevitra.

Lany fanahy, very remby, loza amin’atambo toa resy tsy miady isika ankehitriny ao anatin’izao aretina mahazo antsika izao. Fitondrana jiolahimboto (Etat voyou), fanjakana tsy mahay miaina, izany no hilazan’ny vahiny antsika ankehitriny.

Tsy ekena intsony izao firaviravian-tanana izao fa tsy maintsy hifandinika isika rehetra mba handrava, hanapotika io “sentiment d’impuissance” mipetraka amin’ny Malagasy io.

(Hitohy)

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés