Webradio

BEFANDRIANA AVARATRA : Namoy ny ainy omaly ihany koa ilay Kaomandin’ny Borigady naratra mafy

Taorian’ ilay fanafihana goavana nahaverezan’ny  volan’ireo Sinoa mitentina 60 tapitrisa Ariary  sy naharatrana fokonolona maro  tany Befandriana Avaratra, ny alahady  faha 28 jolay 2019 lasa teo   dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray farany indray, omaly alarobia, fa namoy ny ainy koa  ilay Zandary Kaomandin’ny   Borigady naratra mafy. 8 août 2019

Tokony  ho tamin’ny  12 ora sy  sasany  antoandro  tao amin’ny Hopitaly Soavinandriana Antananarivo no tapitra ny ainy. Nanao ny ala nenina rehetra ny mpitsabo  saingy tsy  tana intsony ny ain’ ity farany. Raha tsiahivina dia ny 1 aogositra lasa teo ihany koa no nodimandry ilay Ben’ny tanàna niaraka notsaboina taminy noho ny ratra nahazo azy ireo nandritra ny fifanjevoana. 

Amin’ny anakapobeny, efa  mba miverina amin’ny laoniny  ny  filaminana  any  ana-toerana ankehitriny.  Jiolahy iray  kosa no fantatra  fa efa voasambotra, izay  voalaza fa isany nandray anjara tamin’ny  fanafihana mahery vaika. Eo am-panohizana ny  famotorana  hatrany ny mpitandro filaminana  hatreto.  Manao ny ezaka rehetra hanatratrarana ireo olon-dratsy izy ireo ankehitriny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés