Webradio

PARLEMANTA ROA TONTA : Hiatrika fivoriana manomboka anio handinihana lahadinika telo lehibe

Hanomboka anio alatsinainy faha-12 ny volana aogositra ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany hatrehin’ireo parlemanta roa tonta.  12 août 2019

Fivoriana haharitra 12 andro handinihana lahadinika miisa telo lehibe. Ho an’ny Antenimieram-pirenena manokana dia voafaritra ny didim-panjakana laharana faha 2019-1415 tamin’ny 25 jolay 2019 no mampiantso azy ireo hiatrika fivoriana tsy ara-potoana voalohany izay handinihana lahadinika telo lehibe. Anisan’izany ny fandaniana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimieram-pirenena, ny fandinihana tolo-dalàna mifehy ny antoko mpanohitra ary ny fampahafantaran’ny governemanta ny politika ankapoben’ny fanjakana. 

Tahaka izay ihany koa ny eo anivon’ny Antenimieran-daholona dia ny didim-panjakana laharana faha 2019-1416 no mampiantso ny fivoriana manokana ho azy ireo. Fotoam-pivoriana hoentina handaniana ny lalàna mifehy ny antoko mpanohitra ary ihany koa ho fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana. Samy ao anatin’ny 12 andro avokoa no hanatanterahana ireo fotoam-pivoriana. Hanomboka amin’ny 11 ora antoandro ny fanombohana ofisialy ho an’ireo solombavambahoaka raha amin’ny 4 ora folak’andro kosa ho an’ireo loholona.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés