Webradio

KAMIAO NANDONA SARETY : Nitolo-batana ilay mpamily kamiao nahafaty olona

Lehilahy iray, sahabo 27 taona, no notanan’ny polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana ny zoma 09 aogositra 2019 teo rehefa avy nandona sarety maromaro teny amin’ny Fasan’ny Karàna, ka nahafatesana olona  iray.   13 août 2019

Raha tsiahivina dia ny alarobia 07 aogositra 2019 lasa teo  tokony ho tamin’ny 12 ora sasany alina no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity teo amin’ny Fasan’ny Karàna. Kamiao  iray   izay voalaza fa avy  avy any Vontovorona  nentin’ny mpamily haterina any amin’ny orinasa iasany eny By-Pass no nifanena tampoka tamina fiara hafa. Tsy nahatana ny familiana ilay mpamily kamiao ka nifatratra avy hatrany  tamina sarety miisa  enina  nipetraka teo amoron-dalana. 

Lasa nandositra avy hatrany moa ity kamiao ity rehefa avy nandona ireo sarety ireo. Fotoana fohy taty aoriana dia tonga teny an-toerana ny polisy nizaha ny zava-nitranga. Tamin’izany no nahitana ny vata-mangatsiakana lehilahy iray tao anatin’ny iray tamin’ireo sarety voadona  ireo. Fantatra fa mpiambina sy mpitarika sarety eny an-toerana ity tovolahy hita faty ity. 

Natory tao anatin’ilay sarety izy io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza  ary dia nindaosin’ny fahafatesana  satria voapotsitra tao.  Nizotra  hatrany ny fanadihadiana ka nokarohina ilay kamiao nahavanon-doza  izay, ny zoma 09 aogositra 2019 teo no nitolo-batana teo anivon’ny Polisy misahana manokana ny lozam-pifamoivoizana ilay mpamily. Niaiky ho nandona ireo sarety ireo izy nandritra ny fanadihadiana azy. Natolotra ny Fampanoavana, omaly alatsinainy 12 aogositra 2019 ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés