Webradio

LALAM-PIRENENA FAHA-25 : Kafe 5 taonina sy Rafia 400kg tsy ara-dalàna saron’ny zandary

Ho fanamafisan’ireo mpitandro filaminana ny fitsirihana atao ireo fiara mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena dia  mitohy hatrany ny fisafoana. 13 août 2019

Ankoatra ny fahatrarana ireo  olona mpitondra  rongony  nisesisesy tato ho ato dia  fantatra tamin’ny loharanom-baovao voaray ihany koa fa ny 07 aogositra lasa teo dia saron’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra avy ao Mananjary , teny amin’ny lalam-pirenena faha 25 iny ny kafe milanja dimy taonina tsy misy taratasy ara-dalàna noentina fiara anankiray.

Ankoatra io kafe io  dia nahatrarana rafia milanja 400kg  izay mbola tsy nisy taratasy ara-dalàna ihany  koa ny fiara iray hafa nandalo, tokony ho tamin’ny folo ora alina  tany ho any. Nomarihin’ireo  mpanao fanadihadiana hatrany fa tsy ara-dalàna ilay rafia satria dia efa ao anatin’ny fikatonan’ny  fikirakirana izany ny ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Vokany,  nogiazana ilay kafe niampy  ireo fiara miisa telo nitondra izany, ilay rafia kosa naterina teny amin’ny CIREEF na ny (Circonsription Régionale de l’Environnement, des Eaux et Forets). 

Mampitandrina hatrany ireo mpampiasa lalana ny eo anivon’ny mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana  ary nanantitratintra hatrany  fa  ho hentitra amin’ny fanaraha-maso akaiky ireo mpivezivezy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés