Webradio

NOSY BE HELL-VILLE : Tra-tehaka ireo 3 lahy saika hanondrana volamena an-tsokosoko

Efa malina tanteraka amin’ny  asany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny  miasa eny  anivon’ny  seranam-piaramanidina manoloana ireo  tranga miseho  isan-karazany toy ny  fanondranana  entana an-tsokosoko  any  ivelany  misesilany.   22 août 2019

Raha ny fanazavana voaray, misy  ny tsy  fahatomombanana  indraindray  saingy miezaka  hatrany izy  ireo  manatsara ny fomba fiasa  mba hanatratrarana ireo olona   mpanao izany. Araka ny  loharam-baovao  voaray, tratran’ny vela-pandriky ny polisim-pirenena tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascene Nosy Be Hell-Ville  ireo 3 lahy avy  eto  Antananarivo raha  niketrika teti-dratsy hanondrana an-tsokosoko volamena ho any ivelany. Ny fanazavan’ireo polisy   no nanambara fa mpamafa sy mpanondrana entana amin’ny fiaramanidina any an-toerana no mitondra ireo volamena ireo, satria izy ireo tsy savaina na tsy mandalo "scanner". 

Matetika saika toy izany hatrany no fomba fanaon’ireo  olon-dratsy.  Efa nisy tafavoaka  teto  Madagasikara ireo ampaham-bolamena ireo fa tapany no fantatra  izay mbola ao Nosy Be.  Nihoatra ny fe-potoana  tokony  hahatongavan’io volamena io tany ivelany, hany ka  nahazo antso avy amin’ny  finday ny mpiasa tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Fascene ao Nosy be. Nanomboka teo ny famotorana rehetra no  niainga ka rehefa notanterahin’ny  teo anivon’ny  Polisim-pirenena ny fisafoana ny toerana fandraisam-bahiny nipetrahan’ireto jiolahy ireto dia mbola  hita teny amin’izy ireo ny fitaovana maromaro. Ao anatin’ny fanohizana ny fanadihadiana lalina momba ny raharaha ny  Polisy  amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés