Webradio

TONTOLO IAINANA : Tsy mbola mihena ny doro tanety amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka

Na dia teo aza ny ezaka fanentanana sy fanasaziana izay tratra dia tsikaritra fa miha mitombo hatrany ny trangana doro tanety ato amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka tamin’ity volana aogositra sy septambra ity, hoy ny ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana.  9 septembre 2019

Tsy miraviravy tanana ireo mpiasa ao amin’ny DIREDD mamono ny afo, miaraka amin’ ireo fokonolona eny ifotony, kanefa tsy ho araka mihitsy izany fa mila ny fiaraha-miasan’ny rehetra, hoy hatrany izy ireo. Efa an’hektara maro ireo tany may, sy kilan’ny afo. Anisan’ny anentanan’izy ireo ny vahoaka ny hoe “Raha misy afo dia vonoy avy hatrany ary ampandreneso ireo fokonolona manodidina hanampy. Antsoy ny ben’ny ala na zandary miadidy ny faritra mba hanao fanadihadiana. Raha fantatra ny nahavanon-doza dia tonga dia sambory ary ento eny amin’ny fokontany mandra-panaovana fanadihadiana azy”. 

Efa misy koa ireo Komity miady amin’ny doro tanety isaky ny fokontany izay manampy amin’ny asa rehetra. Ireto avy ireo laharana azahoana ireo Ben’ny Ala : - Mahajanga I  : 0340562184 - Mahajanga II  : 0340569828 - Mitsinjo  : 0340464922 - Soalala  : 0343757842 - Marovoay  : 0340590020 - Tsaramandroso (Ambato Boeny)  : 03483 26497 - Maevatanana  : 0340562556 - Tsaratanana  : 0340562187 - Kandreho  : 0348970604. Tsy dorako ny tanindrazako, tsy vonoiko ny taranako.

Nangonin’I Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés