Webradio

ITAOSY : Voasambotra ilay mpanendaka rehefa nifanena tamin’ilay vehivavy efa lasibany

Amin’ny  ankapobeny dia tanora tsy  an’asa  avokoa no lasa manendaka sy  manao  fanafihana  mitam-piadiana eto an-drenivohitra. 11 septembre 2019

Lehilahy  iray,  20 taona indray  teto   no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy, ny alatsinainy 09 septambra 2019  lasa teo, rehefa avy nokarohina nandritra ny fotoana maharitra noho ny antony fanendahana.  

Raha  ny  fitarainana voaray  matetika dia  misy olona voaendaka foana  eny amin’ny faritra manodidina ny Amboatavo Itaosy eny. Anisan’ireo efa nandefasan’ny Tribonaly didy fampisamborana ity tovolahy voasambotra ity taty aoriana. Vehivavy  iray,  izay efa nendahiny volana vitsy ihany no nifanena taminy teo Amboatavo Itaosy, ny alatsinainy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, ka niantso polisy avy hatrany. 

Vao nahita ny polisy nanatona azy ity tovolahy ity dia nandositra avy hatrany, raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra tsy lavitra teo izy. Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa efa an-taonany maro izy no nanendaka teny amin’ny faritra Itaosy ary efa any am-ponja ny namany sasany. Voalazany fa finday sy vola no tena alainy rehefa manendaka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés