Webradio

LAMESA TENY SOAMANDRAKIZAY : Mpivarotra sakafo miisa 280 very vola an-tapitrisany

Nampiaka-peo ireo mpivarotra sakafo nandritra ny lamesa teny Soamandrakizay. Mpivarotra miisa 280 no niditra fatiantoka sy voafitaky ny orinasa iray nikarakara sakafo teny an-toerana.  11 septembre 2019

Nambaran’ny “AB events” tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny fivarotana tamin’ ireo mpivarotra fa misy taharo manokana avy any Inde nararaka tamin’ny tany eny Soamandrakizay mba tsy hampitera-bovoka ny toerana. Tsy nisy akory anefa izany raha ny nambaran’ireo mpivarotra. Vokany, feno vovoka avokoa ny sakafo rehetra. Tsy nisy azo namidy fa simba tanteraka. 

Araka ny tatitra nataon’ireo mpivarotra, 600 000Ariary ny hofana toeram-pivarotana iray ambany indrindra. Tafakatra hatrany amin’ny 700.000Ariary sy 800.000Ariary  izany, arakaraka ny velaran’ny toerana sy ny entana amidy.

Voalaza ihany koa fa toeram-pivarotana 190 no nifanarahana tamin’ny mpikarakara tany am-piandohana saingy lasa 280 izany taty aoriana. Ankoatra ireo, olan’ny mpivarotra ihany koa ny fahatapahan-jiro niseho teny an-toerana sy ny fampanantenana poakaty nataon’ny mpikarakara. 

“Voatery nariana avokoa ireo sakafo feno vovoka sy masiso teny Soamandrakizay, tsy voahaja ihany koa ny andro nifanarahana fa voatery noravana aloha izany, tena maty antoka tanteraka izahay”, hoy ireo mpivarotra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés