Webradio

FANATANTERAHANA NY VELIRANO : Hanangana “Fondation” ny Filoha raha eken’ny Hcc

Anisany tena manan-danja ao anatin’ny velirano miisa 13 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fanomezana hasina ny zo maha olona. Mba hahafahan’ny Filoha manatanteraka ireo fampanantenana nataony dia manana fikasana hanangana «  Fondation  » ny tenany.  11 septembre 2019

Manoloana izany dia nisy ny taratasy mivantana nalefan’ny Filoham-pirenena eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana manontany ny hevitr’ireo mpahay lalàna ambony na mifanaraka na tsia amin’ireo andinin-dalàna mandrafitra ny Lalàm-panorenana io fikasany io. 

Raha ny lalàna mantsy hatreto dia ny mampivady ny asan’ny Filoham-pirenena amina asam-panjakana hafa na fitantanana antoko politika, vondrona politika na fikambanana tsotra na ara-pivavahana no tsy azon’ny Filohan’ny Repoblika atao.  Filoham-pirenena amina firenen-dehibe maro no efa nanangana ny «  fondation  » mba ho fandraisan’andraikitr’izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny lafiny maha olona sy ny zon’olombelona, ny tontolo iainana sy ny lafiny fampianarana. 

Ireo rehetra ireo dia mifanindra an-dalana amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena Malagasy ka mahatonga azy hanangana «  fondation  » izay mbola hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny Hcc hatreto.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés