Webradio

HOTOLORANA LOHA-MASININA VAOVAO NY FCE : Efa tonga any Espagne ireo teknisiana iraka manokana

Hivaha tsy ho ela araka ny efa nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina ny olan’ny fitaterana an-dalam-by FCE  (Fianarantsoa-Côte Est).  12 septembre 2019

Araka ny tatitra nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’andro dia efa tonga any Balmaseda, Bilbao, Espagne ireo teknisiana iraky ny minisitera hijery ireo loha-masinina vaovao ho an’ny FCE. Fantatra fa ho tonga ao Fianarantsoa alohan’ny faran’ity taona 2019 ity ireo loha-masinina vaovao ireo. Nisedra olana matetika ny fifamoivoizana an-dalam-by FCE noho ny loha-masinina efa antitra dia antitra nampiasainy. 

Noho izany indrindra no nandefasana ireto teknisiana manokana ireto. Araka ny fanazavana, nananosarotra ny fitadiavana loha-masinina ho an’ny FCE teo aloha satria ny loha-masinina eran-tany vokarina amin’izao vanim-potoana izao dia efa saika ireo loha-masinina be velarana avokoa. Io antony io rahateo no tsy nety nahavoavaha ity olana ity. Ny an’ireo firenen-dehibe matanjaka, mpamokatra loha-masinina tahaka an’i Espagne mantsy dia saika efa nohalehibeazina avokoa ny lalam-by. Ny eto amintsika nefa tsy mbola nasiam-panamboarana fa ireo nolovaina tamin’ny mpanjanaka ihany no mbola iasana hatramin’izao. Ireto teknisiana nalefa ireto araka izany dia hijery manokana ireo loha-masinina azo ampifanarahana amin’ny lalam-by misy eto Madagasikara ary hampanamboatra vaovao mifanaraka amin’ny refin’ny lalam-by eto an-toerana raha toa ka tsy misy io maridrefy takiana io.  

Ain-dehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany

Tsara ny manamarika fa ain-dehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny fisian’ny zotra an-dalam-by FCE. Ankoatra ny fitaterana ny mponina dia izy io  koa no miantoka ny famoahana ireo  vokatra any an-toerana. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany  ny FCE satria ny fisian’io lamasinina io no isan’ny  antony iray mampiroborobo ny fizahan-tany any amin’iny Faritra iny. Liana amin’ny tantarany, ny hatsaran’ireo toerana kanto sy voajanahary lalovany ireo mpizaha tany ary amin’ny alalan’ireny koa matetika no hamantaran’izy ireo ny tantaran’ny fanjanahan-tany. Mirefy 170 km ny Fce ary  mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa. Teo aloha dia inefatra isan-kerinandro no fotoam-piasany saingy nihena izany tato aoriana noho ny olana ara-teknika mateti-pitranga.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés