Webradio

ITAOSY : Zatovo miisa 15 namono mpirahalahy, namoy ny ainy ilay zokiny ary nalemy ilay zandriny

Faritra matetika itrangana tsy fandriam-pahalemana  ao anatin’ny faritra Atsimondrano raha ny eny  Itaosy   sy  ny manodidina. 13 septembre 2019

Ankoatra ny  trangana fanendahana  sy ireo  fanafihana  mitam-piadiana matetika miseho  eny an-toerana dia nahazahoana  loharanom-baovao ihany koa tato ho ato ny trangana herisetra  tanterahin’ireo  olon-dratsy. Araka ny   tatitra voaray  avy  amin’ny zandarimariam-pirenena,  dia  mpirahalahy  mpiray tampo no  nisy  namono  tao  anaty toeram-pisotroana iray  ny  alarobia lasa teo, tokony  ho tamin’ny  folo ora alina.   

Vokany, maty  tsy tra-drano ny iray  raha toa ka malemy  tsy  afaka mitsangana intsony ny iray.   Raha ny  fanampim-panazavana dia  lehilahy miisa 15 teo ho eo  no  tonga dia  nifandrombaka namono  ireo mpirahalahy ireo  teo  am-pisotroana zava-pisotro,  izay  tsy fantatra mazava ny  tena antony. Raha ny  filazan’ilay voavono tsy namony ny ainy dia  tsy mahafantatra   ireo  olona namono azy  ireo velively  izy ireo no sady tsy nanana disadisa teny  amin’ny  manodidina. Avy  nanamboatra moto simba izy mirahalahy  no   niditra   toeram-pisotroana  mba hanala havizanana, kinanjo  daroka sy vono tsy  fanta-piaviana no nahazo azy ireo. Ilay  zokiny  40 taona no  nindaosin’ny fahafatesana  nohon’ ny ratra be  nahazo azy, noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana  haingana taorian’ny  tranga kanefa dia tsy avotra intsony. Namela manano tena  iray,  zanaka 7 sy  10 taona io lehilahy  io.  Ilay zandriny, manodidina ny  37 taona  kosa dia  malemy   tanteraka  ary  mbola  manohy  ny  fitsaboana.

 Tafaporitsaka ireo nahavanon-doza

Rehefa   avy  namono  ireto roa lahy ireto moa  ireo  tovolahy miisa 15 dia  tafaporitsaka nitsoaka avokoa.  Samy nisomebiseby   rahateo  koa ny teo amin’ny  manodidina, hany ka  nananosarotra ny fisamborana azy ireo. Tsy  mbola hita hatreto   ireo  nahavanon-doza, mandeha ny fikarohana ary  efa am-perinasa tanteraka ny eo anivon’ny  mpitandro  filaminana amin’izao  fotoana izao. 

Raha ny tatitra nomen’ny  zandriny  mbola manohy  mitsabo-tena dia misy tadidiny   ihany ny endrik’ireo   olona namono azy ireo. Arahina akaiky ny tohin’ny  raharaha  hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés