Webradio

SOANIERANA-IVONGO : Tontosa ny fakan-kevitra momba ny taom-baovao malagasy

Notanterahina tao Soanierana-Ivongo, ny sabotsy 28 septambra lasa teo ny fakan-kevitra momba ny taom-baovao malagasy iraisana.  30 septembre 2019

Tao amin’ny efitrano fivorian’ny zokiolona ao an-toerana no nanatanterahana izany. Tonga tao Soanierana-Ivongo ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Analanjirofo nitarika ny fakan-kevitra. Fakan-kevtra izay natao mba hahafahana mandravona daty tolo-kevitra ho an’ny Faritra Analanjirofo momba indrindra ny taom-baobao malagasy iraisana. Iny daty iny no haroso eny amin’ny sehatra nasionaly.
Tangalamena sy olobe ary olon’ny kolontsaina maro no tonga namaly ny antso. Anisany niatrika izany ny filohan’ny fikambanana Fitambe na Fikambanan’ny taranaka Ampanjaka Betsimisaraka, Rajaonarison Pierre.

Ho an’ny tao Soanierana-Ivongo ity, dia ny volana oktobra no tapak’izy ireo fa tokony hanatanterahana ny taom-baovao malagasy. Ho an’ny Tangalamena sy mpandala fomba malagasy ao Soanierana-Ivongo, dia io volana oktobra io no volan’ny fahavokarana ary hita maso izany  : miakatra ny jirofo, lavanila, ka izany no anton’ny safidy, hoy izy ireo.

Hitohy any amin’ireo distrika 5 ao anatin’ny Faritra Analanjirofo izao fakan-kevitra izao  : Vavatenina, Sainte-Marie, Mananara-Avaratra ary Maroantsetra.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés