Webradio

OLAN’NY FISARAHAM-PANAMBADIANA : Olona miisa 11 namoy ny ainy tao Taolagnaro

Raikitra ny ady saritaka izay niafara tamin’ny fahafatesan’olona miisa 11 be izao  tao Emagnobo Distrikan’i Taolagnaro, ny faran’ny herinandro lasa teo. 8 octobre 2019

 Raha ny  angom-baovao voaray  dia fisaraham-panambadiana no  niantombohan’ny olana, ka rà nandriaka no  niafarany ary dia nivadika  ho  vono olona faobe. Voalaza mantsy fa nampakatra vehivavy hafa ralehilahy kanefa tsy mbola vita ny fombafomba amin’ny fisarahana tamin’ny vadiny teo aloha. 

Ralehilahy dia fantatra fa  avy ao Emagnobo raha toa ka avy ao Esira-Amboasary kosa ravehivavy vadiny  teo aloha. Niditra an-tsehatra tamin’ny raharaha ny Dinabe tao an-toerana, ireo jado na koa ireo malaso niova fo avy  any  Esira ary  nilaza fa handamina ny zava-niseho. Omby marobe no fangatahana hatao onitra  mba ho sazin’ilay  rangahy kinanjo nanda sy  tsy  nanaiky  hatramin’ny  farany  izany  ny  fianakaviany. 

Nanomboka teo no raikitra ny  gidragidra teo an-tanàna ka  nandrahona ny handraoka ny omby teo an-tanàna ireo mpampihatra dina. Raikitra  teo  ny fifandonana ary dia niafara tamin’ny ady saritaka. Miisa 11 ireo namoy ny ainy ka ireo nampihatra ny Dinabe  no tena lasibatra tamin’izany. Arahina akaiky hatreto ny  tohin’ity zava-nitranga ity satria dia ahiana mafy  ny mety  hisian’ny  valifaty eo amin’ny ankilany noho ny fahabetsahan’ireo  olona maty.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés