Webradio

JIOLAHY MPANENDAKA SY MPANAO HERISETRA : Tratra teny Ambatomaro sy Ambohimahitsy

Manao  tohy vakana hatrany  amin’izao  fotoana izao  ny  fahatrarana ireo  mpanendaka  sy  mpandroba eto  an-drenivohitra sy ny  manodidina, raha  ny  angom-baovao  voaray  matetika  avy  amin’ny  Polisim-pirenena. 10 octobre 2019

Lehilahy  miisa roa 20 sy 25 taona  indray  teto  no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP3 Antaninandro teny Ambatomaro sy Makoline/Ambohimahitsy ny 07 sy 08 oktobra 2019 lasa teo, noho ny resaka fanendahana miharo herisetra amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana ary koa fikambanan-jiolahy.  Betsaka  ny  fitarainan’ny olona mahakasika ny asa ratsy afitsok’ireo tambajotran-jiolahy  sarona  ireto   eny amin’ny faritra Ambatomaro, Ravinala ary Tsarahonenana iny. 

Araka ny fantatra mantsy dia lehilahy miisa  telo   no nanendaka olona teny Ambatomaro ny 07 oktobra 2019 lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.  Nitondra   antsy lava izy ireo tamin’izany nentiny nanendahana ilay olona. Noho ny  fitsirihana   nataon’ny  Polisy teny amin’ny elakelan-trano any amin’ny faritra Ambatomaro  tamin’izany no nahatratrarana antsy lava tany anatin’ny kitapony. Noentina teny amin’ny kaomisaria ity lehilahy natao fanadihadiana. 

Voaporofo  tamin’izay   fotoana izay  tokoa fa avy  nanendaka olona teny amin’ny faritra Ambatomaro iny izy ary nisy namany  iray  hafa nanampy azy  tamin’ny  fandrobana. Ny 08 oktobra 2019 lasa teo dia voasambotra teny amin’ny Makoline/ Ambohimahitsy ilay namany niara-nanendaka taminy. Mpamerin-keloka  izy  roa lahy ireto ary ny  iray aza efa  nigadra tany Antanimora nohon’ ny  resaka halatra  ka  nivoaka ny taona 2017, ny 01 kosa efa nigadra teny Tsiafahy resaka halatra ihany koa ary nivoaka ny volana desambra 2018.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés