Webradio

VONDRONA EOROPEANINA : Namatsy vola hanaraha-maso ny fifidianana

Ho an’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo dia anisany olana goavana ny fahambanian’ny tahan’ny olom-pirenena tonga nifidy. Afaka iray volana mahery eo dia ho tonga indray ny fifidianana Kaominaly. 10 octobre 2019

Mila atao matanjaka ny fanentanana ny olom-pirenena mba hanefa izay adidiny ho an’ny firenena. Ho an’ny fiarahamonim-pirenena Safidy izay efa nandray anjara hatrany tamin’ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana dia raisin’izy ireo ho andraikitra lehibe hatrany ny fanentanana ny mpifidy handatsa-bato mba hisian’ny fifidianana tena demokratika. Nanamafy ny Safidy fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rantsana samihafa mba hanehoana izay fahavononana hampangarahara ny fifidianana izay.

Manoloana izany indrindra dia nisy ny famatsiam-bola mitentina 208 000 Euros ho an’ny fiarahamonim-pirenena Safidy avy amin’ny Vondrona Eoropeanina. Famatsiam-bola hoentina hampandehanana ny asa rehetra izay hiantsorohan’izy ireo mandritra ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina Kaominaly. Marihana fa Distrika miisa 112 manerana ny nosy no ahitana ireo solotena avy amin’ity fiaraha-monim-pirenena ity mifanome tanana amin’izay fanaraha-maso mandritra ny zotram-pifidianana izay. Ny vondrona Eoropeanina dia efa nanome tantsoroka hatrany an’i Madagasikara amin’ny sehatra maro.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés