Webradio

ANTSIRANANA II : May ny tanety ao Ambodimadiro noho ny pitik’afon’ny mpanao saribao

Amin’ny ankapobeny ny tantsaha manomana ny tany hovolena no manao doro tanety, izay voalaza fa heverin’izy ireo ho mahalonaka ny tany. 10 octobre 2019

Tahaka izany ihany koa ny antony  anaovan’izy ireo ny tavy. Ankoatra izany dia azo heverina fa ny tsy fitandremana amin’ny fanipazana afon-tsigara amin’ireny ahitra na bozaka maina ireny ihany koa no miteraka doro tanety.

Nitrangana doro tanety tamina velaran-tany midadasika tao  Ambodimadiro kaominina ambanivohitra Antsahampano distrikan’i Diego II, ny talata 8 oktobra lasa teo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy tao an-toerana dia avy tamin’ny pitik’afon’ ny mpanao saribao no nahatonga ny firehetana. Tsy voafehy ny afo, na nisy aza ny  ezaka nataon’ny fokonolona tamin’ny manodidina. Miezaka mamono ny afo avy amin’ny ilany atsinanana ny fokonolona dia  efa mirehitra ihany koa ny amin’ny ilany andrefana. 

Anisany nahasarotra ny famonoana ny afo ny fitsokan’ny rivotra. Efa namoaka entana tao an-trano ny ankamaroan’ny olona tao an-tanàna, raha nahita ny fiparitahan’ny afo. Araka ny fanampim-baovao hatrany  dia saika tratran’ny afo ka may avokoa ny toerana manodidina ilay velaran-tany nanatanterahana ny fambolen-kazo tao Antsahampano tamin’ny farany teo. Hita araka izany fa vokatry ny tsy fitandremana avy tamin’ny mpanao saribao no nahatonga ny doro tanety tao Ambodimadiro  Antsahampano ity. Araka izany dia manaitra ny tompon’andraikitra voakasika mba hijery akaiky ny tena zava-misy marina. Ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra sy fepetra mifanaraka amin’izay mandoro tanety.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés