Webradio

FARITRA BOENY : Arina fandrehitra manodidina ny 1000 gony no avoakan’ny fikambanana GAR

Na eo aza ireo  trangana doro tanety  mahazo  laka  any  amin’ny  Faritra Boeny  iny  dia  ezahina  hatrany  ny   fitarihana ny  tantsaha  hamboly  hazo, hanao taozavatra  afaka mifandraika amin’ny  tontolo  iainana manodidina ka  ahafahana  mikajy  izany. 10 octobre 2019

Toy ny  ao amin’ny  fokontany  Ambalambakisiny,  Kaominina Andranofasika Distrikan’ Ambato Boeny izao  dia misy  ny  fambolen-kazo  amina hektara maro manodidina ny  86 ha ataona mpikambana miisa 80  izay  azo  avadika ho arina  fandrehitra  avy  eo  ka mampidi-bola ny  mponina.  Anisany  tohana goavana  karakarain’ny  tetik’asa fanamafisana  ny  fahaiza-manao  iatrehana ny fiovan’ny  toetr’andro PRCCC, ao anatin’ny  fandaharanasa fanohanana ny fitantanana ny tontolo iainana PAGE izao ny fanohanana ny tantsaha ao anatin’ny  fikambanana mpamboly hazo GAR Ezaka. 

Nanomboka tamin’ny  taona 2009 ny  mpikambana miisa 80 no  nanomboka namboly hazo, ny  taona 2016 kosa ny  fanombohan’ny  fanapahana hazo izay  azo  avadika ho  arina.  Ny  karazan-kazo  kininina  no  hazo   fambolena  ary   mbola mandalo fikarakarana  sy  dingana maro izay  vao  azo  avoaka amidy  hatao fidiram-bolan’ny  mpikambana. Tamin’ny  voalohany  namoahana ny  vokatra dia  voalaza fa manodidina ny  80 eo  ho eo ny  arina  vita raha toa ka efa mahatratra 1000 mihitsy izany  ankehitriny. Isaky  ny  enina taona  no mahazo manapaka ala izy  ireo  ary  manodidina ny  15000 ar  ny vidin’ny  arina iray gony . 

Azo lazaina fa manampy betsaka ny fiharian’ny  mponina  izany  ary efa samy manana ny anjara asany  daholo ny mpikambana rehetra ka tsy  dia mananosarotra intsony  ny fiaraha-miasa ao anatin’ny dingana arahina  mandrapaha tafavoaka ny  vokatra,  hoy ny  Filohan’ny  GAR Ezaka Andriamahatratra Falihery.  Tsara hatrany  moa ny  manamarika fa tohana avy amin’ny  PAGE/GIZ, vondrona Eoropeanina  sy  ny  minisitera Federalin’ny fiaraha-amiasa ara-toekarena sy  fampandrosoana  Alemana na BMZ  no mamatsy  vola ny mponina  ao anatin’izany rehetra izany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés