Webradio

FANADINANA BAKALOREA ANDIANY FAHAROA : Ny taratasy fiantsoana teo aloha ihany no hampiasaina

Ny taratasy fiantsoana nandritra ny fanatontosana ny fanadinana bakalorea andiany voalohany ihany no ampiasaina mandritra ny fiatrehana ny bakalorea andiany faharoa, ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 ho avy izao.  10 octobre 2019

Izay no fanazavana noentin’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy hisy intsony, araka izany ny famoahana fiantsoana vaovao. Noho ny fahateren’ny fotoana dia tsy maintsy nirosoana izao fanapahan-kevitra izao, hoy ny fanambaran’izy ireo, ka tokony hitahiry ny taratasy fiantsoana azy avy ny mpianatra tsirairay. “Ny mpiadina nanala bakalorea rehetra teo,  na avy aiza na avy aiza, na mbola tsy nivoaka aza ny valim-panadinana dia tokony samy hitahiry ny taratasy fiantsoana azy avy satria tsy hisy intsony ny fiantsoana vaovao fa izay efa nalefa teo ihany no ampiasaina miaraka amin’ny taratasy fanamarinana ny maha izy azy ny mpianatra tsirairay toy ny karapanondro na karatra maha mpianatra, ho an’ireo tsy ampy taona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razaranaina Jean Claude.

Tsy hisy intsony ny adina ara-panatanjahan-tena

Notsindrian’ity sekretera jeneralin’ny minisitera ity koa fa tsy hisy intsony ny fanadinana ara-panatanjahantena fa ireo naoty izay efa azo nandritra ny andiany voalohany ihany no horaisina. Tsy hisy fiantraikany amin’ny famerenana ny fanadinana Bakalorea dingana faharoa manokana ihany koa ny fidiran’ny mpianatra  ho an’ny taom-pianarana 2019-2020 amin’ny 28 oktobra ho avy izao, raha ny fanazavana azo hatrany. 

“Azo antoka fa tsy hiteraka fikorontanana eo amin’ny fidiran’ny mpianatra araka ny fandaharam-potoana efa navoaka ny  fiatrehana ny fanadinana bakalorea andiany faharoa io satria ny fanjakana ihany no namoaka azy noho hamehana tsy maintsy nirosoana manoloana ireo olana nisy”, hoy koa Rakotozanany Christian, Tale jeneraly misahana ny fampianarana ambaratonga faharoa sy ny fampitaovanana ho an’ny daholobe.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés