Webradio

FAHA- 20 TAONAN’NY M3TV-M3FM : Roa sosona ny hetsika niarahana tamin’i Elidiot

Natomboka tamin’ny ‘cabaret ‘ tao amin’ny “Les roches rouges” ny fanombohana ny fankalazana ny faha- 20 taonan’ ny M3tv-M3fm.  10 octobre 2019

Nanome voninahitra izany ireo manampahefana eto an-toerana notarihin’ny Préfet mivady sy ny Lehiben’ny faritra mpisolo tena mivady ary ny minisitry ny Atitany. Tao ihany koa ny Solombavambahoaka. Raha olombelona, hoy ny Préfet dia efa matotra ; ka ny fahatrarana 20 taona amin’ny sehatry ny serasera izany dia fanomezan-Janahary. Mirary soa ny M3tv sy ny M3fm, hoy izy ary ampitao amin’ny andriamatoa filoha tale jeneraly ny fankasitrahana sy ny tsodrano mba hahatratra ny 20 taona manaraka.

Nandrasan’ny maro ihany koa ny hiran’i Elidiot mitondra ny lohateny Lasan’ny vazaha ka ireo vazaha tonga nasaina tao no naneho ny fahaizany mandihy. Ny alahady kosa dia tao amin’ny Banja Toalaza no nanao fampisehoana ny tarika Elidiot ka maro ireo tonga nanoina ny antso na dia nisy  aza ny orana. Nisy koa moa ny fifaninanana dihy Lasan’ny vazaha ka nomen’ny solontenan’ny M3TV fanomezana ireo nandray anjara tamin’izany. Maro dia maro hatrany ireo tonga nanoina ny antso, tamin’ny fankalazana ny faha - 20 taonan’ ny M3tv ity toy ny tsingerin-taona rehetra nankalazaina hatrizay ; maneho fa tsy maty ao am-pon’i Mahajanga ny fitiavana ny fahitalavitra M3tv sy ny radio M3fm.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés