Webradio

AMBALAKINDRESY - DAHALO NANAFIKA : Roa maty voatifitra, telo azo sambo-belona

Noho ny fahazoana haingana ny  loharanom-baovao nomen’ireo  olon-tsotra an’ny  mpitandro  filaminana dia  nisy vokatra nahafa-po ny fokonolona tao  Maroavaratra  Fokontany  Andrainafototra Kaominina Ambalakindresy, Faritanin’i Fianarantsoa teo aloha ny faran’ny  herinandro lasa teo. 15 octobre 2019

Raha ny  loharanom-baovao  voaray  dia dahalo miisa telo  no voasambotra raha toa ka nindaosin’ny  fahafatesana kosa ny roa tamin’ireo nandritra ny tifitra variraraka tamin’ny fifandonana. Voalaza mantsy fa nifanena tany anaty kizo ireo dahalo  am-polony mitam-piadiana  sy  ny  mpitandro  filaminana nampandry fahalemana tao an-toerana voalaza etsy  ambony, ny marainan’ny 12 oktobra. 

Marihina fa vao niainga kely tao Besora hanao fisafoana amin’ny faritra manodidina ireo mpitandro filaminana  rehefa  nahazo vaovao fa misy fanafihana ao Maroavaratra dia  efa voafitaka ireo  dahalo tamin’ny   fotoana nitsoahana ka mora foana ny nisamborana azy  ireo. Noheverin’ireto dahalo  mantsy fa lasa tsy hitampody ireo zandary ka dia raikitra ny fifandonana.  

Efa nivonona hatramin’ny  farany  hiady  tamin’ireo andian’olon-dratsy  rahateo koa ireo zandary tamin’io fotoana io, hany ka tsy  dia nananosarotra azy  ireo  ny  nifanandrina tamin’ireo  andian-dahalo. Nisaotra ny  fokonolona  araka izany  ireto  farany  tamin’ny  fanomezana vaovao  sy  fiaraha-miasa hentitra teo  amin’izy  ireo. Mbola manentana fiaraha-misalahy  hatrany hiadiana amin’ny  tsy  fandriam-pahalemana ao an-toerana ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés