Webradio

FENOARIVO ANTSINANA : Olona miisa 5 nahatrarana vola sandoka 20 tapitrisa Ariary

Vokatry ny  loharanom-baovao  voaray  avy  amin’ireo  olona tsara sitrapo dia nahazo  vokatra tsara ny Zandarimaria tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo  Antsinana mahakasika ilay  vola sandoka an-tapitrisany maro, ny 15 oktobra 2019 lasa teo.  17 octobre 2019

Raha ny tatitra voarain’izy   ireo dia fantatra fa nisy  andian’olona  mitondra vola sandoka  400 tapitrisa Ariary , saika hoentina any Vavatenina. Avy  hatrany  dia nanao  fitsirihana sy ny nidina ifotony ny  Zandary, natao ny sakana sy ny fitsirihana  rehetra ka  tsy  ela  dia tratra  ny  fiara tsy  mataho-dalana  iray izay nitondra izany. Nandritra ny  fisavana natao  tokoa dia  sarona  tao ny vola sandoka  mitentina  20 tapitrisa Ariary niampy  vola tena  izy  mitentina 80 tapitrisa Ariary.

Miisa 05  hatreto ny olona efa voasambotra  izay  nitondra sy  niray  tsikombakomba tamin’ity  raharaha ity  . Mitohy  kosa ny fikarohana ny  ambin’ilay  vola sandoka nafenina ao an-tranon’izy  ireo ary  koa fantarina ny  hevi-dratsy ambadika saika hampiasana  ireo vola sandoka ireo. Andalam-panatanterahana   ny  famotorana  lalina araka izany  ny  eo  anivon’ny  Zandary  ka arahina  akaiky ny  fizotran’ny  raharaha amin’izao  fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés