Webradio

DEPIOTE LES ROBERT SY NY VADINY : Tratran’ny lozam-pifamoivoizana tao Analamalotra

Ny tolakandron’ny alarobia 16 oktobra tamin’ny 3 ora sy sasany teo ho eo, nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Analamalotra lalam-pirenena fahadimy iny.  18 octobre 2019

Ny solombavambahoaka voafidy tao Mananara-Avaratra sady mpanakanto Les Robert io niharam-boina io. Nandeha moto niaraka tamin’ny vadiny sy tovolahy iray izy. Ho eny amin’ny tanimbolin’izy ireo ao Ivoloina no anton-dia. Raha ny fanazavana voaray, dia niala fiarabe i Les Robert, nahazo sisin-dalana. Nisy vatokely nisavovona anefa teo alohany ka tsy nisy azo nialana intsony. Tafanika ilay vatokely na “gravillon” ny moto izay nentiny. Nipitika izy telo. Ny vadiny no tena voa mafy, torana tsy nahatsiaro tena. Nisy faharatrana teo amin’ny tanana, loha ary tratra kosa i Les Robert. Tsy dia nisy voa loatra kosa ilay tovolahy niara-dia tamin’izy mivady.

Nalefa avy hatrany teny amin’ny Hopitaly Manara-penitra izy telo.  Ny marainan’ny alakamisy 17 oktobra tamin’ny 7 ora sy sasany, nanapa-kevitra ny mpitsabo azy mivady nandefa azy ireo any Antananarivo tamin’ny alalan’ny fiaramanidina hanohy ny fitsaboana. Izahay eto amin’ny gazety Ino Vaovao Faritra dia mirary fahasalamana tanteraka ho azy ireo.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés