Webradio

FANAFIHANA BANKY : Sarona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy fanafody gasy ilay jiolahy

Tsy   misy  tahotra  intsony  ireo  olon-dratsy   amin’ny  fanafihana banky  eto amintsika ary  tsikaritra  mihitsy  aza fa efa arifomba avokoa ny  fitaovana ampiasain’izy ireo  mandritra ny  fandrobana   raha  ny  tranga niseho   tato  ho ato.  18 octobre 2019

Raha  ny  angom-baovao  voaray   teo aloha teo, vao  tsy  ela akory  fa tamin’ity  taona ity  ihany  no  nisy  nandroba  ny  volabe tao amin’ny  ivon-toerana  fampindramam-bola eny amin’ny  Kaominina Mahitsy Distrikan’ Ambohidratrimo,  ka tafatsoaka ny  sakaizan’ilay  tovovavy  mpiasa tao  izay voalaza fa tompon’antoka   nahavanona izany  halatra vola an-tapitrisany  izany. 

Araka ny  loharanom-baovao voaray  avy  amin’ny  Zandarimariam-pirenena    indray  izao  dia fantatra fa   tany  amin’ny  Ivon-toerana fampindramam-bola tao  Soanierana Distrikan’i Taolagnaro Faritra Anosy  ny  alarobia  hariva, 16 oktobra  lasa teo. Jiolahy  miisa roa mitam-piadiana no  nikasa handrava ny  vola be tao  saingy  tsy  nahazo  na  ariary  izy  ireo raha toa ka mafy hidy  sy  tsy  voasokatra  ilay  vatabe fitoeram-bola (coffre). Noezahin’ireto farany novahaina ary  naharitra ora maro izy  ireo  nanatanteraka izany  fa toa nandamoka ihany . 

Raha vao  nandre io tranga io  ny «  Equipe d’Intervention Rapide  » tao  amin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny  Zandarimaria Anosy  dia nanao fitsirihana ireo olon-dratsy nitsoaka , narahan-dia izy  ireo  tamin’izay  fotoana izay   ka tra-tehaka ny  iraikalahy. Sarona niaraka taminy ny  basy  poleta iray  vita tefy  gasy, sy  bala “ calibre” 12, etsy  andanin’izay  dia mbola nahitana fanafody  gasy  marobe  toy  ny moara teny  am-bozonan’io jiolahy io.  Ny   namany   iray  hafa  niaraka nandroba taminy  mbola tafatsoaka tany anaty  reniranon’Ambinanibe raha nanararaotra ny  andro  maizina ka tsy  hita popoka   ny  nanjavonany  ary  mbola karohina fatratra hatramin’izao. Ity  voasambotra  kosa mbola atao famotorana lalina hatreto. Nisaotra ny  fokonolona moa ireo Zandary  tamin’ny  fanomezam-baovao  ara-potoana  ary  koa  tamin’ny  fanampiana  nandritra ny  fikarohana ireo  jiolahy.

 Nangonin’i Tatianà R. sy Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés