Webradio

FAMBOLENA SY FIOMPIANA : Tafapetraka ny fiaraha-miasa ny Farmashop sy Profis ao Sava

Tontosa ny zoma 8 Novambra teo ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Farmshop sy ny Profis, izay miasa ho an’ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny alalan’ny famatsiana izay ilaina rehetra mahakasika izany tao Sambava renivohitry ny Faritra Sava. 11 novembre 2019

Araka ny voalaza dia laharam-pahamehan’ireo orinasa  voalaza eo ambony ny filan’ny mpanjifa.Nandritra izany  ihany koa no nanambarana fa tsy tokony hisy olana amin’ny famatsiana manomboka izao ny ao anivon’ny Faritra Sava. Manamafy izany ny efa nanomana magazay lehibe mahazaka 150 taonina ao anatin’ny fokontany Soavinandriana ao Sambava. 

Tombony ho an’ny Faritra Sava, araka izany, ny fisian’izany satria mampitombo sy manatsara ny asan’ny mpamboly sy mpiompy. Araka izany dia  ny Profis no hanaparitaka ny vokatry ny Farmshop rehetra ao anatin’ny Faritra Sava.
Nandritra ny fanombohan’izao fiaraha-miasa izao ihany no nanolorana mari-pahaizana tamin’ireo  izay nagnaraka  fiofanana mahakasika ny  kisoa, ny omby vavy be ronono, ny trondro, ary ny akoho fakàna nofo sy akoho manatody lava izay notanterahina tao Sambava, andro vitsy lasa izay.

Anisany niatrika izao ihany koa ny governoran’ny Faritra Sava Tokely Justin. Tamin’izany no nanambarany fa mbola marobe ireo sehatra azo trandrahina ao anivon’ny Faritra Sava ary zava-dehibe ny famoronana zava-baovao sahala amin’ izao. Notsindriany koa fa vonona amin’ny fiaraha-miasa sy fampiroboroboana ny sehatra ara-toekarena ato anivon’ny faritra ny tenany amin’ny maha tompon’andraiki-panjakana azy ao Sava.

 Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés