Webradio

SEHA-PIHARIANA DRAKAKA : Tsy ekena ny ampihimamba, hoy ireo mpanangom-bokatra

« Tsy ekenay ny fanaovana ampihi-mamba ny fanondranana drakaka any ivelany.  Avelao ny mpandraharaha rehetra mahafeno fepetra mba ho hanondrana drakaka any ivelany  ».  13 novembre 2019

Io no sora-baventy nolanjain’ireo mpanangom-bokatra eo amin’ny sehatra drakaka, ny talata maraina teo. Niverina nitokona indray izy ireo ary nampiantso mpanaoa gazety.  Tsy hanaiky hatramin’ny farany izahay, na inona na inona zava-miseho raha tsy miova ny fitantanana ny seha-pihariana drakaka. Tsy tonga any amin’ny Filoha ny fitarainanay fa misy manodinkodina, hoy izy ireo. Handefa solontena any Antananarivo izahay hihaona amin’ny Filoham-pirenena mivantana satria misy kolikoly ambadika ity raharaha ity. 

Tsy hanimba zavatra izahay, tsy hikasi-tanana olona hoy ny mpisehatra iray fa ny fitakianay sy ny fangatahanay no ataonay. Nidina an-dalam-be indray izy ireo, ny talata maraina teo, satria tsy misy mihaino, hoy izy ireo, ary tsy misy mangirana ny fitakiana  ataon’ izy ireo. Efa nanome fe-potoana izy ireo nefa mbola tsy misy fanapahan-kevitra amin’ny ilan’izy ireo azy.  Mitobaka amin’ny Sinoa mpanondrana ny entana (ndlr ny drakaka) nefa izy ireo tsy maharaka ny miasa azy  : tsy maharaka ny mpiasa, tsy maharaka ny sivana… Milahatra telo andro vao voaray manao sivana ka maro ny drakaka maty. 

Vola anie no tadiavinay, hoy hatrany ity mpanangom-bokatra iray hafa ka « mba sokafy re ny mpandraharaha rehetra hisian’ny fifaninanana. » Mazava, hoy izy, fa raha misokatra ny rehetra dia hiakatra ny vidin’ny drakaka. Efa nisy moa fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ary jono. Nanao tatitra tany amin’ny minisitra tompon’andraikitra ity tompon’andraikitra voalohany ity ary ny faran’ny herinandro lasa teo no fe-potoana nomen’ny minisitra hanomezana valin-teny. Nambarany tamin’izany fa efa eo am-panaovana ny lalàna mikasika izany ny minisitera.  Nisy ihany koa ny fihaonany tamin’ireo tera-tany sinoa mpanondrana satria nilaza ireo mpanangom-bokatra fa nijanona ny fandraisana ny drakaka. Rehefa nanontaniana kosa ireo Sinoa dia nilaza fa tsy mijanona fa naka aina kely ary efa miverina miasa. Na izany aza dia tsy maharaka  ny fandraisana vokatra miakatra ireo mpandraharaha mpanondrana drakaka misy ka izany no mahatonga ny mpanangom-bokatra izay tena maro tokoa hitaky ny hanampiana isa azy ireo, ary indrindra mba hasiana mpandraharaha malagasy ihany koa. Marihina moa fa efa nisy ny fanamboarana lalàna mikasika ny fanondranana drakaka ka anisany fepetra notakiana ny fanaovana fiompiana na  ‘ferme’ izany hoe tsy maka drakaka anaty natiora fa mitaiza. Tsy napetraka mialoha anefa ny fepetra mikasika ireo fiompiana“ferme” ireo. Na izany aza dia betsaka ny Malagasy nanao ferme. Nisy ny tao Mahajamba, ny any Amparemahitsy, ary ny any Soalala. Saingy rehefa vita ny ‘ferme’ dia nivoaka indray ny lalàna vaovao fa misy halavirina tsy maintsy hajaina amin’ny elanelan’ny « ferme » roa na refesina amin’ny sidin’ny vorona ka noho izany dia lany volabe fotsiny ireo mpandraharaha Malagasy nanao ‘ferme’ tany amin’iny distrikan’i Mahajanga faharoa iny. Ao Amparemahitsy kosa dia misy ‘ferme’ izay efa vita tsara sy manara-penitra tokoa ana Malagasy. 

Efa nisy ny teknisianina tao amin’ny jono nitsidika azy io saingy hatramin’ izao dia mbola tsy nahazo fahazoan-dalana hanondrana ny tompony. Nivoaka indray mantsy ny lalàna fa tsy maintsy manana «  écloserie  » indray fa tsy ekena ny fanangonana drakaka ‘sauvage’. Ny tena olana dia mbola tsy misy teknisianina malagasy mahafehy ny fanamboarana «  écloserie  » drakaka sy ny fahaiza-manao satria araka ny nambaran’izy ireo dia ambony be ny taham-pahafatesana. Noho izany dia misy ny mpanondrana vitsy izay efa nomena fahazoan-dalana nandritra ny fitondrana teo aloha ary mbola tsy nitombo isa nandritra izao fitondrana izao. Anisany nangatahan’ireo mpanangom-bokatra tamin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fandalovany teto Mahajanga mialoha ny fifidianana depiote iny moa ity fanokafana ny sehatr’asa drakaka ity.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés