Webradio

FANATRARANA NY FAHALEOVAN-TENA ARA-TSAKAFO : Velaran-tany 9 000ha no efa voajary

Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.  13 novembre 2019

Dingana iray hahafahana manatratra izany ny fanajariana ny lemaka sy toerana azo volena manerana ny Nosy. Efa misy ny asa natomboka hanatrarana io fahaleovan-tena ara-tsakafo io raha ny fanazavan’ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien. Araka ny fanazavan’ity farany, efa mahatratra 9 000ha amin’izao fotoana izao ny velaran-tany nohajariana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, toerana izay notsidihin’ny Filoham-pirenena farany teo.

Tanjona tratrarina ny fanajariana ny toeram-pambolem-bary hahatratra 100 000ha farafahakeliny ao anatin’ny 5 taona, hoy hatrany ny minisitra, nanazava. Efa hita avokoa ny toerana rehetra mila fanajariana, hoy izy, ary efa manao fanadihadiana mahakasika izany ny teknisiana eo anivon’ny minisitera tarihiny amin’izao fotoana izao. Hisy ny fandresena lahatra ny mpamatsy vola hiara-hiombon’antoka amin’ny fanajariana ireo lemaka ireo.

Notsipihiny nefa fa azo atao tsara ny manomboka ny asa sy mampiasa ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2020 mandra-piandry ny mpamatsy vola. Ankoatra ny fanitarana sy fanajariana ny lemaka azo volena, nanambara koa ny Minisitra fa tokony hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana eto amintsika. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fiompiana akoho. Nambarany fa mbola ambany ny fihinanana henan’akoho eto Madagasikara raha oharina amin’ny firenen-kafa satria tsy mihoatra ny 2 kg isan’olona izany mandritra ny taona iray. «  Ny fampiarahana ny fambolena sy ny fiompiana no hahafahana manatratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo haingana satria betsaka ny tombony azo avy amin’ireo sehatra ireo, mifameno ireo ary tsy afa-misaraka  », hoy hatrany ny minisitra Ranarivelo Lucien, nanazava.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés