Webradio

FARITRA ITASY : Hapetraka ny paikady hanatsarana sy hampitomboana ny voka-bary

Ny sabotsy lasa teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny Kaominina Sarobaratra – Ifanja ao anatin’ny Faritra Itasy ny taom-pambolena 2019. Tanjona apetraky ny fitondrana ny hanatsarana sy hampitomboana ny voka-bary. 18 novembre 2019

Nihaona mivantana tamin’ny tantsaha ao anatin’ny Faritra Itasy, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin’ny velirano nataon’ny Filoha ny hanatsarana ny lafiny fambolena eto Madagasikara, mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ny Kaominina Sarobaratra – Ifanja, Distrikan’i Miarinarivo  ao anatin’ny Faritra Itasy no nosafidiany hanatanterahana ny lanonana fanombohan’ny taom-pambolena, ny faran’ny herinandro.

Itasy dia anisany Faritra mpamokatra ary saika mifototra amin’izany avokoa ny ankamaroan’ny mponina. Velaran-tany maro ihany koa no mbola azo trandrahina ao an-toerana satria hatrany amin’ny 2 500 ha isan-taona no azo ambolena vary. Ny Kaominina Sarobaratra – Ifanja dia anisany mamatsy vary ny mponin’Antananarivo. Nambaran’ny Filoha tamin’izany fa ho tratra amin’ny taona ho avy io ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha toa ka hampiharina ny teknika fanatsarana ny fambolena. Araka izany dia novelabelarina tamin’ny tantsaha izay teknikam-pambolena manaraka ny toetr’andro izay, nomena masomboly amin’ny karazany roa samy hafa ihany koa izy ireo mba hahafahany mampiakatra ny vokatra. Nohamoraina ihany koa ny fahazoan’ny tantsaha fitaovana. Anisany tena mampalaza ny Kaominina Sarobaratra – Ifanja ny masomboly safiotra sy ny fanaovana voly vary an-tanety. Mba hahafahana mampiroborobo hatrany ireo teknikam-pambolena ireo dia fantatra fa hisy teknisianina sinoa hidina ifotony hifampizara traikefa amin’ny famokarana ny masomboly Safiotra.

Ilaina fiaraha-mientana

Hiara-hientana ny fanampiana an’ireo tantsaha mba hahazoana vokatra mendrika rehefa tonga ny taom-pijinjana. Tahaka izany ihany koa ny tompon’andraiki-panjakana eny ifotony dia manampy mba hahatanteraka ny velirano nataon’ny Filoham-pirenena. Ny Governoran’ny Faritra Itasy dia naneho ny fahavononany hanatsara ny fomba fiasany amin’ny fampiofanana an’ireo teknisianina sy ny fikolokoloana ireo fotodrafitrasa efa misy ary hanamafy ny ady atao amin’ny doro tanety. “Mendrika ny hanaovana ezaka goavana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny tantsaha, izay mibahana ny 85%n’ny Malagasy”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. 

Nandritra ny fandalovan’ny Filoha tany an-toerana io ihany koa no nametrahana ny tsena lehibe hanampy ny tantsaha amin’ny fividianana fitaovana, fanafody ilaina amin’ny fambolena. Ao amin’ny Faritra Itasy no nisantarana an’ity tetikasa ity ka anisany mampiavaka azy ny fahazoan’ny tantsaha manefa tsikelikely ny vidin’ny entana na ny masomboly ilaina ao amin’ity tsena manokana apetraky ny fanjakana ity.
Ankoatra ireo dia nahazo moto miisa 70 avy amin’ny Filoha ny mpiasan’ny fahasalamana ao Sarobaratra – Ifanja. Nahazo ny anjara rakibolany kosa ny ankizy mpianatra.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés