Nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena indray ny Makis taorian’ny fandresena miezinezina azony nandritra ny taona 2009. Miaiky sy mihorohoro amin’ny ekipa Malagasy ny mpanao fanatanjahantena aty Afrika amin’izao fotoana izao. Tsy eo amin’ny baolina kitra ihany fa eo amin’ny baolina lavalava koa. Raha ny lalao tetsy Mahamasina manokana no asiana resaka, azo ambara fa voafehin’i Makis tanteraka ny Black Stallions ary tsy afa-nikofoka mihitsy nandritra ny lalao.
13 noho ny 0 no nisarahana nanditra ny fizaram-potoana voalohany. Tsy nitoko mihitsy ny Nizeriana fa taty amin’ny fizaràm-potoana faharoa izy ireo vao nahita isa telo raha toa ka isa 23 be izao no hitan’ny Malagasy.
Tonga teny an-toerana nanatrika ny lalao sy nisaotra manokana ny mpilalao ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto. “Feno dia feno ny fo, mankasitraka tanteraka ny ekipa rehetra tamin’ny ezaka nataony satria tanteraka ilay fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina hoe amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena no hanehoantsika ny hambompom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana. Lalao iraisam-pirenena ireny, miaiky izao tontolo izao fa mahay isika Malagasy saingy mila tohanana hatrany”, hoy ny nambarany. Nanolotra vola mitentina 5 tapitrisa ariary avy amin’ny Filoham-pirenena koa ny minisitra taorian’ny lalao. Tsiahivina fa ny ekipa Namibiana indray no hifandona amin’i Makis amin’ny lalao manaraka.
Ny Ami