Webradio

FITIAVAM-PAHEFANA TAFAHOATRA : Tsy hiova intsony mandra-pahafatiny Ravalomanana

Rehefa ny hafa, hono, no lany tamin’ny fifidianana dia mangala-bato, tena efa manao antitra tokoa ka tsy mahatsiaro ny taloha.  3 décembre 2019

Raha tadidintsika ny zava-niseho tamin’ny taona 2002 raha nifanandrina tamin-dRatsiraka Didier, i Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, tamin’izany no nampalaza ny tanànan’i Dakara izay nanaovana karazana fifanarahana satria nafana be ny toe-draharaha teto amin’ny firenena.  Tamin’izany dia nazava ny fifanarahana fa hisy ny fihodinana faharoa saingy nataony izay hahatongavana mialoha teto Madagasikara ka avy hatrany dia narangaranga fa lany tamin’ny fihodinana voalohany ny tenany, nalaza tamin’izany ny “Premier tour dia vita” ka nibatany ny fandresena, tsy nijanona tamin’izay ihany anefa fa mbola nanandran-tena sy nisora-teno ho Filoha mamim-bahoaka ka nanao ny “auto proclamation” tamin’ny fanaovana fianianana tsy nanaraka ny Lalàm-panorenana. 

Mihevitra ny olona ho tsy mahatadidy ny tantara angamba, ka izao miketrika fanakorontanana izao indray rehefa tsy nahomby tamin’ny fifidianana ben’ny tànana. Heveriny fa azy sy misoratra ara-panjakana aminy angamba ity renivohitra ity, ka izay tiany hanaovana azy dia ho mety daholo. Rehefa resy aloha dia resy fa tsy mamorona izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao. Tamin’i Lalao lany ho ben’ny tànana angaha nisy nitabataba fangalaram-bato fa tsy samy nanaiky izay voka-pifidianana navoakan’ny Céni ny rehetra koa rehefa tsy lany izay kandida hatolony dia mihogahoga fa misy ny hala-bato, dia milaza fa tsy mila Céni aty Afrika. Tanana zatra mitsotra tokoa ka tsy mety mivonkina intsony, aiza ve ka mbola tsy mandeha akory ny fifidianana dia efa mandrangaranga hala-bato sahady zareo. Fomban’ny kanosa anefa ny manely tsaho mialoha ny fifaninanana. Sao dia tratran’ny fiverenan-tsaina  àry iny rangahy iny !!! 

Tsy izay tianao no atao fa izay tian’ny mpifidy ka rehefa tsy nahomby dia mangina no mety ary mipetraha ho raiamandreny amin’izay fa manalabaraka firenena. Vadinao aza no nitondra ny tanàna ireny niaraha-nahita ireny ny fahavoazany, tsy hita mazava ny tena fandrosoana fa ny gaboraraka no hita sy nahazo vahana ary ny fivarotana ireo toerana mety ho azo hanaovana tsena amoron-dalana no nimasoana ka mainka hoe olona hafa izay mpiray antoko, dia ho azo hinoana ve ny mety hisian’ny fivoarana sy fandrosoana amin’izany ?!!!! Sarotra ihany ny hino fa satria haverina ihany fa ny vadiny aza no nitondra tsy vitany ny nampisy fampandrosoana koa mainka fa olon-kafa mpiray antoko aminy fotsiny. Sarota ny hino izany.  

Lezo

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés