Webradio

FITSARANA AMBONY ATY ANTSIRANANA : Nankalaza ny faha10 taona nijoroany

Nankalaza ny faha10 taona nisian’ny Fitsarana ambony ireo fianakaviambe ny Fitsarana taty Antsiranana, ny alatsinainy 2 desambra teo. 3 décembre 2019

Araka izany dia natao teo anoloan’ny lapan’ny Fitsarana ambony taty an-toerana  ny varavarana misokatra ho an’ny Fitsarana ambony sy ireo sampan-draharaha miara -miasa akaiky amin’ny Fitsarana  toy ny polisim-pirenena, zandary, Bianco, ireo mpisolovava, vadintany sy ny hafa. Nahitana ireo mpiasan’ ny Fitsarana ambaratonga voalohany avy eto Antsiranana sy ny avy any Antalaha, Nosy Be ary Ambanja nandritra izany. Misokatra ho an’ny rehetra izany ary afaka mametraka fanontaniana amin’izay liana amin’izany. 

Tonga taty an-toerana ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques, notronin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila avy aty an-toerana ary ny fianakaviamben’ny Fitsarana avy aty Diana sy Sava.

Nandritra ny folo taona nisian’ny Fitsarana ambony taty Antsiranana, ny 2 desambra 2009 ka hatramin’ny 30 novambra 2019, dia voalaza fa nahatratra 97,55% ny raharaha heloko bevava voatsara  notsarain’ny Fitsarana ambony, ary nahatratra  6096 ireo antotan-taratasy voaray.  Notoloran’ny minisitry ny Fitsarana mari-pankasitrahana ireo mpiasan’ny Fitsarana ambony niasa tao nandritra izay folo taona izay.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés