Webradio

OMDA : Voafidy ho filohan’ny filan-kevi-pitantanana Razafiarison Françis

Voafidy ho filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona (OMDA) i Françis Razafiarison na Françis Turbo, izay sady Tale jeneralin’ny kolontsaina eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.  5 décembre 2019

Hiantoka ity andraikitra ity mandritra ny telo taona indray izy, araka izany, satria telo taona no faharetan’ny fe-potoana iasan’ny filohan’ny Filan-kevi-pitantanana.
Marihina fa tamin’ny alalan’ny fifidianana no nahazoany ity andraikitra vaovao sahaniny ity. Lany teo amin’ny fihodinana faharoa ny tenany rehefa nifaninana tamin’i Jaojaoby sy Samoela. 

Nahazo isam-bato mitovy izy sy Samoela nandritra ny fihodinana voalohany. Vato 5 no azony ary vato 5 ihany koa no azon’i Samoela. Noho izany indrindra dia tsy maintsy niditra tamin’ny fihodinana faharoa indray ny mpifidy. Nahazo isa 7 ity mpanao hatsikana fanta-daza  teo amin’ny fihodinana faharoa ary isa 6 kosa no azon’i Samoela.

Ny.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés