Webradio

ATSIMO ANDREFANA : Hampitomboina dimy alina sy dimy arivo hektara ny lemaka azo volena

Tsy ho ela dia hahaleo tena ara-tsakafo tanteraka ary mbola ho afaka mamatsy ireo faritra hafa ihany koa ny faritra Atsimo Andrefana. 4 décembre 2019

Ankoatra ny lemaka dimy arivo hektara voatondraky ny toho-drano ao amin’ny Bas Mangoky Distrikan’i Morombe ity, amin’izao fotoana izao dia hampiana hatrany amin’ny dimy arivo hektara indray izany ankehitriny. Efa mandeha ny fanajariana ny tany any an-toerana amin’izao fotoana, ka ny valopolo isan-jaton’ny asa no efa vita. Etsy an-kilany ny fanajariana ny velaran-tany vaovao dimy alina hektara indray ho azo tondrahana ao Bevoay sy Bas Mangoky iny, izay efa mandeha ny fikarohana (etude) amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena izany, ka ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) no mamatsy vola izany.

Tsy ny Faritra ihany no hahavita tena ara-tsakafo ato ho ato fa hipaka hatrany ivelan’ny faritra satria ho betsaka ny vokatra vokarin’ny tantsaha any an-toerana. Izany no fantatra nandritra ny fidinan’ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien tany Toliara, ny fiandohan’ity herinandro ity. Mifanindry an-dalana amin’izany ny fanomezana masomboly ireo tantsaha, masomboly izay mifanaraka amin’ny toetrandro any atsimo vokatry ny fiaraha-miasa eo anivon’ny orinasa Africa rise sy ny minisitera.

Mbola resaka fampandrosoana ihany dia tsy afa-misaraka ny fambolena sy lalana, hoy ny Minisitra, efa mandeha ny tohin’ny asa fanamboaran-dalana amin’iny lalam-pirenena fahasivy iny, amin’izao fotoana izao, manomboka ao Analamisampy ka hatrany amin’ny Kaominina Manja. Hiroso amin’izay ny fanorenana ny tetezana farany lava indrindra eto Madagasikara izay mirefy valonjato metatra, ny tetezan’i Mangoky izany, ao anatin’ny lalam-pirenena fahasivy ity.

” Faly sy tretrika ary ravo ny Faritra manoloana izao satria marika fa miroso mankany amin’ny fampandrosoana izay mamaly ny filan’ny vahoaka tokoa ny fitondram-panjakana ankehitriny tarihin’ny Filoha hajaina Andry Rajoelina”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo Andrefana Nomenjanahary Andre Tafita Sareine, izay nisolo tena ny Governoran’ny Faritra.

Daniel Revony   

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés