Webradio

JONO : Nikatona ny misasak’alin’ny alahady lasa teo ny taom-panjonoana makamba

Nikatona ny misasak’alin’ny alahady 01 desambra teo ny taom-panjonoana makamba araka ny nampahafantarin’ny minisiteran’ny Jono.  4 décembre 2019

Ny sabotsy 30 novambra lasa teo no fetra farany nahazoan’ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpitahiry izany nanaovana ny fanambaràna ny faran-tahiry na "stock" any amin’izy ireo. Hisy araka izany ny sazy henjana ho an’izay mbola minia manjono makamba sy ny mpanangom-bokatra ary ny mpivarotra izany, taorian’ny fikatonan’ny fanjonoana ny alahady 1 desambra lasa teo.

Niantso ny talem-paritra manerana ny lafivalon’ny Nosy i dokotera Bemanaja Etienne, tale jeneralin’ny fiompiana anaty rano sy ny jono ao amin’ny minisitera, mba ho samy tompon’andraikitra manoloana ny fanaraha-maso, izay tsy maintsy atao nanomboka ny ora voatondro ho famerana ny fikatonana. Nampihatra izany avy hatrany ny sampan-draharaha misahana ny jono aty amin’ny Faritra Boeny, ka hisy ny fitsirihana sy fidinana ifotony ary sazy tsy maintsy hampiharina ho an’ireo izay tratra minia mandika ity didim-panjakana mifehy ny jono makamba eto Madagasikara ity. 

Raha tsy mbola voafaritra kosa ny fotoam-pisokafan’ny jono makamba, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny minisitera, fa tsy maintsy voizina mialoha amin’ny haino aman-jery sy ny gazety ny tetiandro hanokafana ny taom-panjonoana vaovao ho amin’io taona ho avy io. Vanim-potoana anatodizan’ny makamba sy ierehany any amin’ny Faritra ibeazan’ny zanany ny vanim-potoana tahaka izao, hoy ny teknisianina, ka izay no anton’ity fanakatonana fanao isan-taona ity.

Sady ahazoana ny halehiben’ny makamba takin’ny tsena iraisam-pirenena aorian’ny fanatodizana sy ny fitomboan’izy ireny, ka tombony ho an’ny mpanjono sy mpisehatra amin’ity makamba ity izao fanakatonana izao, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Marihina fa maherin’ny 500 000 isa ny mpanjono madinika misehatra amin’ity jono makamba ity eto Madagasikara, araka ny antontan’isa farany voaray ny 01 oktobra taona 2019 lasa teo tao amin’ny minisitera tompon’andraikitra.

Marcos.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés