Webradio

AMBALAKISOA TOAMASINA : Jiolahy mpandroba izy roalahy maty voatifitra fa tsy tanora mpianatra

Fanafihan-jiolahy mahery  vaika mihitsy no nitranga tao  Ambalakisoa Toamasina  fa tsy  vono olona niniana nataon’ny  Zandary  na koa resaka ady  tamin’ireo  samy tanora mpianatra tao  anaty “bar” , ny  sabotsy  maraina  18 janoary  lasa teo iny .  20 janvier 2020

Fantatra moa fa jiolahy miisa roa no lavon’ny bala tamin’izany. 
Araka  ny angom-baovao voaray bebe kokoa  dia tokony  ho tamin’ny roa ora maraina  no nitranga ny fanafihana, tanora miisa  dimy,  izay  telo lahy sy roa vavy  handeha hamonjy fodiana no  narahan’andian-jiolahy. 

Izy telo lahy tafatsoaka  saingy izy roa vavy kosa dia niharan’ny daroka , vono  sy fanendahana  tamin’io fotoana io. Soa  ihany  fa sendra nandalo tampoka  ireo Zandary  mpanao fisafoana ny tanàna  ka  niditra an-tsehatra avy hatrany  niaro  azy roa vavy ireto. Niezaka nanao tifi-danitra ny  Zandary  mba  hampitahorana  sy  fampitandremana  ireto olon-dratsy  saingy  vao  mainka namaly izy  ireo. Nihantsy  ady mihitsy raha ny tatitra avy amin’ny  Zandarimariam-pirenena  tany an-toerana. Voalaza fa fa  nampiasa basy sy fitaovana hafa ihany koa ireo jiolahy, nentina nanoherana  ireo zandary.

Vokany, tsy maintsy  nitifitra ireo mpitandro filaminana ka  maty teo no ho eo ihany ny iraika lahy, raha toa ka maty teny  an-dalana  handeha eny amin’ny  hopitaly  kosa ny  namany iray  hafa. Taorian’izay  dia noentina  tany  amin’ny biraon’ny  Zandary izy dimy mianadahy  voatafika  mba hatao famotorana. Nilaza  tamin’izany moa izy ireo fa  saika  maty  raha tsy  sendra nandalo   tampoka ireo  zandary niaro  sy nanohitra ny jiolahy. 

Tsy  marina, araka izany, ny filazana fa ady amin’ny  samy  mpianatra ny zava-nisy  ary  voaporofo izany, hoy ny fanazavana. Tanora mipetraka eny  Ambolomadinika ireo norobaina  ary vonona  hitsangana hilaza  ny  zava-misy  marina  izy ireo  tamin’ny vonjy aina nataon’ny  Zandary.

Ho an’ny fianakavian’ny maty kosa, dia “ady tao anaty toeram-pisotroana no niavian’io famonoana io. Niady tamina tovolahy miisa efatra ireto tanora roa lahy ireto, ka niafara tamin’ny fivoahana teny an-tokotany ny ady ». “Mety nisy niantso zandary ireo manodidina na koa ny olona nanatrika. Tonga avy any ireo zandary ary  avy   hatrany  dia  nampitandrina  : “aza mihetsika ambony   daholo ny tanana”. Taitra ireo ankizy niady ka tafatoraka hazo an’ireo zandary, avy hatrany dia nanao tifi-danitra indroa ireto farany. Segaondra vitsy taorian’izay anefa tonga dia nitifitra nahafaty azy roa lahy”, hoy hatrany ireo fianakaviana. 

Izy ireo izay nilaza tsy handefitra, hoy izy ireo. Hariniaina Gaston, teraka tamin’ny taona 2000 sy Nomenjanahary Théophile, teraka ny taona 1998 ireto namoy ny ainy ireto. Ny iray izay mpianatra eny amin’ny Oniversiten’i Toamasina raha vao afaka bakalorea miandry fidirana kosa ny faharoa. Mpihavana izy roa lahy. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés