Webradio

ORINASA KRAOMITA MALAGASY : Miatrika famotorana lalina ny tale jeneraly teo aloha

Efa nampoizina. Voaantso ary hanaovana fanadihadiana lalina eny anivon’ny polisy ekonomika ny tale jeneralin’ny orinasa Kraomita Malagasy teo aloha.  22 janvier 2020

Manomboka miseho masoandro ny hosoka mihoa-pampana ary halatra bevava niseho teo anivon’ny orinasa nandritra ny taona maro.

Apetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ho laharam-pahamehana ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy mangarahara. Fanamby lehibe ihany koa ny hanafoanana ireo tsimatimanonta eto amin’ny firenena. Anisany nampikorontana ary nampiteraka savorovoro teo amin’ny ara-tsosialin’ny fiainam-pirenena ny raharaha nisy teo anivon’ny orinasa Kraomita Malagasy. Raha tsiahivina dia nisy ny fitokonana lavareny nataon’ireo mpiasa tao amin’ity farany amam-bolany. Antony, noho tsy fandraisan’izy ireo ny karamany ara-dalàna. 

Tsy vitan’izany ihany anefa fa nisy akony goavana teo amin’ny vola niditra tao amin’ny kitapolam-panjakana ihany koa ny gaboraraka sy ny hosoka nisy teo anivon’ny orinasa nandritra ny taona maro. Ankehitriny, henoin’ny polisy ary hanaovana famotorana lalina eo anivon’ny polisy ekônômika i Arsène Rakotoarisoa tale jeneralin’ny orinasa Kraomita Malagasy teo aloha. Manomboka miseho ankehitriny ireo hosoka bevava sy halatra natao teo anivon’ity orinasa ity. Tamin’ny taona 2018 dia nisy ny fanadihadiana sy ny fitsirihana nataon’ny “Delta Audit” teo anivon’ny Kraoma. Nisy ny tsy fanarahan-dalàna maro tsikarika tao anatin’izany ary namerina nanao izay fitsirihana izay indray ny PWC, ny volana febroary 2019 ary nitovy tsy nisy valaka tamin’ny valin’ny fanadihadiana nataon’itsy voalohany ny vokatra azony. Fantatra tamin’izany fa kraoma milanja hatrany amin’ny 34 000 taonina no nangalarina. Nanjaka ny fanondranana Kraoma an-tsokosoko tsy nisy taratasy mazava ary tsy niverina tamin’ny fanjakana malagasy izay vola azo tamin’izany. Famarotana entana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy tena marina, ny tsy fanajana ny atao hoe “Incoterm”sy ny endrika hosoka maro samihafa, ny kiantranoantrano, ny fitazomana ny fananan’ny orinasa,sns.

Mpitondra teo aloha no niray tsikombakomba

Manampy trotraka izay voalaza etsy ambony ireto ny tsy fahaizana mitantana sy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny tompon’andraikitra ambony teo aloha. Vokany fatiantoka iray lavaka no niainan’ny orinasa Kraoma. Nitontaly hatrany amin’ny 39 Miliara Ariary ny trosa nozakain’ity orinasa ity tamin’ny taona 2018. Nandritra ny taona maro ny nigalabona tamin’ny fanaovana ny hampihimamba ny fananam-bahoaka ireo tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny orinasa sy ny tompon’andraikitra ambony sasany nandritra ny fitondrana teo taloha. Voalaza fa anisany niray tendro tamin’ity tale jeneraly ity  tamin’ny fanatanterahana an’ireo hosoka sy halatra bevava ireo ny vadin’ny Filoha teo aloha, Voahangy Rajaonarimampianina sy Henri Rabarinjaka izay nitana andraikitra ambony tamin’ izany fotoana. 

Vokatr’ireo halatra sy kolikoly avo lenta ireo dia nahatratra hatrany amin’ny 101 Miliara Ariary ny trosa nobaben’ny fanjakana Malagasy. Tena marina natao mihitsy ny hampikatso an’ity orinasa ity. Tafiditra anaty krizy lalina araka izany  ny orinasa Kraoma izay niafara hatrany amin’ny tsy fahafahana mandoa ny karaman’ireo mpiasa tao aminy intsony. Ankehitriny, miezaka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny orinasa Kraoma ny mametraka drafitra maty paika hoentina hamerenana amin’ny laoniny ny tena maha izy azy an’ity orinasa ity manoloana ny asa fitrandrahana goavana izay hataony.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés