Webradio

MANDROSOA - SOAMAHAMANINA : Haverina ho maitso indray ny alan-tapia

Fanamby goavana napetraky ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina ny hamerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso indray.  10 février 2020

Manana adidy goavana amin’izany ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy amin’ny maha sampan-draharaha mpiaro mivantana ny tontolo iainana azy ireo. Zanaka tapia 2000 isa no novolen’ny mpiasa teo anivon’ity Minisitera ity tao amin’ny fokontany Mandrosoa, Kaominina Soamahamanina, Faritra Itasy, ny 08 Febroary 2020 lasa teo. 

Niara-nisalahy sy nanampy azy ireo namboly izany koa ny foibem-pitondrana misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena notarihin’Andriamatoa Augustin Andriamananoro sy ny mponina any an-toerana.

Tanjona manokan’ny Minisitera, hoy ny voalaza, ny hamerina indray ny alan- tapia izay manamarika ny maha izy azy ny Faritr’Itasy. Ny alan- tapia mantsy no iveloman’ireo landy izay mampiavaka antsika Malagasy. Ao amin’ny Faritra Itasy sy Amoron’i Mania ihany no ahitana ny landy eto Madagasikara, ka raha sanatria simba izany ala izany dia ho ringana manaraka azy ny landy ary ahiana hisy fiantraikany eo amin’ny toe-karena mihitsy. 

Manampy ny Minisitera voalaza etsy ambony manatanteraka izao fanamby izao koa ny “Ong defi” izay miaro ny tontolo iainana sy ny alan-tapia any Itasy any. Fambolena zanakazo maherin’ny 100 000 isa no tanjon’ity Ong ity ary efa tafiditra ao anatin’izany izao ezaka vita izao.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés