Webradio

FANAFIHANA TAO ISOANALA RN-13 : Maty voatifitra ny mpamily, voaroba avokoa ny entan’ny mpandeha

Nahazo  vahana  sy  nandravarava  tany  amin’ny  lalam-pirenena  faha-13 iny  indray  ireo  andian-jiolahy  mpanakan-dalana, ny  alarobia alina  hifoha alakamisy  lasa teo. 14 février 2020

Araka ny  loharanom-baovao voaray  dia fiarabe «  carandal  » na ireny kamiao lehibe navadika ho mpitatitra olona  nitondra  mpandeha  niainga  avy  eto  an-drenivohitra  Antananarivo ka  nihazo  an’i Taolagnaro no  voatafik’ ireo  olon-dratsy telopolo mahery nitam-piadiana. Teo  amin’ny  tanànan’i Manakilova  Tsimitsoy, Kaominina  Isoanala,  Distrikan’i Betroka  no  niseho  izany  ka  avy  hatrany  dia  nanao tifitra  variraraka  ireo  jiolahy  mba hampijanonana  ny  fiara. Vokany, voatifitra  teo  amin’ny  kibony ny  mpamily  ary  dia  naratra  mafy  izay  nitarika ny  fahafatesany  taorian’ny  ora  vitsy. 

Etsy  ankilany, voaroba daholo ny  entana sarobidin’ireo  mpandeha, toy  ny  vola sy  firavaka, fitaovana  lafo  vidy. Voalaza   tamin’ny  fanazavana voaray  hatrany aza moa  fa anisany  very  tamin’io  fotoana io  ihany koa ny fananan’ireo  atleta solontenan’ny Faritra  Anosy izay vao avy niatrika  fifaninanam-pirenena tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra iny. Ankoatra ny fanafihana fiara, mbola  nanohy nanafika tanàna  teo  amin’ny manodidina indray  ireto mpandroba  ka olona  miisa roa tompon’omby  no  voatifitra. Nahatsikaritra ity fanafihana ity  moa  ny  Zandary teo an-tanàna  nony avy eo ka tonga dia nitifitra ireo jiolahy, nisy voa izy  ireo  saingy mbola tafatsoaka ihany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés