Webradio

JIOLAHY MPANAFIKA « CASH POINT » : Sarona teo am-pikononkononana fandrobana izy 05 lahy

Mbola teo am-pikononkonona-na fanafihana mitam-piadiana ireo  jiolahy  mpandroba  no  tra-tehaky ny  Polisy,  ny alarobia faha 12 febroary 2020 lasa teo. 14 février 2020

Lehilahy miisa 05 no  fantatra fa voasambotry ny avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava sakelika fahaefatra sy ny Polisy avy etsy amin’ny kaomisaria Sabotsy Namehana. Noho ireo  trangana fanafihana mitam-piadiana maromaro nifanesy teto an-drenivohitra sy ny manodidina dia nanao fikarohana sy fanangonam-baovao ny Polisy.

Nahitam-bokany  tokoa izany satria ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina  no  naharay  vaovao mahakasika ny fisiana andian-jiolahy nikononkonona fanafihana teny Sabotsy Namehana izy ireo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy, ary noho ny paikady napetraka dia voasambotra tao amina toeram-pisotroana iray eny an-toerana ireo olon-dratsy miisa 05, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro na dia nanohitra sy nikasa ny handositra aza. Nandritra ny   fisavana  no  nahitana  basy poleta 01 sy «  Big Boss  » 01 teny amin’ireto olon-dratsy. 

Mpaka ny vola vidina fahana an’ny orinasam-pifandraisana miasa eny amin’ny faritra Sabotsy Namehana iny kosa no saika norobain’izy ireo tamin’ity fotoana ity. Niaiky ihany koa ireto farany fa anisany namaky tranom-barotra sy «  Cash point  » eto an-drenivohitra, anisan’ izany ny fanafihana mitam-piadiana tetsy 67ha ny alatsinainy faha 10 febroary teo saingy nandamoka izany satria nalaky  tonga  ny Polisy avy ao amin’ny CSP7.  Etsy ankilany, mbola tompon’antoka  tamin’ny  fanafihana   mitam-basy tao amina tokantrano iray tetsy Faravohitra, ny alin’ny 31 janoary 2020 lasa teo, ka nahaverezana vola sy entana maro mitentina  enina tapitrisa ariary mahery.  Mitohy  hatrany  ny fikarohana  mahakasika ny toerana rehetra nanaovan’izy ireo asa ratsy.  Hatolotra ny  Fitsarana  izy  dimy  lahy ireto  aorian’ny  famotorana.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés