Webradio

FANAFIHANA TAO ANTSAHABINGO : Ireo mpiasa ihany no voatondro ho nanao hevi-petsy nandroba ny orinasa

Ny alarobia hariva teo no natolotra ny fampanoavana ihany koa ireo roalahy mpividy halatra ka dia naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany.  14 février 2020

Tsiahivina fa herinandro talohan’io dia nilaza ireo mpiasa amin’ny orinasa iray eny Antsahabingo fa nisy valo lahy nanafika ka lasa tamin’izany ny entana maro fiasana ao amin’ ity orinasa ity ihany. Nambaran’ izy ireo fa nitam-piadiana ireo jiolahy tamin’izany, ka nandrahona azy ireo ny mbola hiverina. Nidina ifotony avy hatrany moa ny mpitandro filaminana rehefa nahazo antso vonjy. Efa nadio kosa ny rano nitan’ireo olon-dratsy. 

Ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana kosa dia nahitana fa tsy nisy mpanafika akory tao amin’ity toeram-piasana ity fa ireo mpiasa tao ihany no nikononkonona ny halatra. Izy ireo nivarotra ny entana halatra no nahasarona azy ireo. Voaporofo tamin’izany ny fandraisana andraikitr’izy rehetra satria dia mbola tratra ny fifanakalozana tamin’ny alalan’ny finday nisy teo amin’izy ireo. Tratra tany amin’ireo mpividy halatra koa ny entana sasany, ka nosamborina avy hatrany izy ireo.

Efa nampitandrina rahateo ny kaomisera santraly ny amin’ny tokony hijerena tsara ny entana hovidiana sy ny hitakiana ny taratasy momba azy, ary nambarany tamin’izany fa mitovy ihany ny sazy ho an’ny mpangalatra sy mpividy halatra. Ny talata no efa nampidirina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Marofoto ireo mpangalatra. Any izy ireo no miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés