Webradio

TETIKASA FIHARIANA : Hampiakarina 10 000 isa ireo hahazo famatsiana amin’ity taona ity

Nanampy betsaka ny tanora malagasy vao mihary ilay fandaharan’asan’ny Filoham-pirenena “Fihariana”. 19 février 2020

Marobe ny efa nisitraka tombontsoa ankehitriny. Tsy vitsy ihany koa anefa ny hahazo ny anjarany amin’ity taona ity.

Tetikasa goavana anisany niavahan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo Filoham-pirenena nifandimby teo aloha ny tetikasa “Fihariana”. Natao hamatsiam-bola ny tanora izay manana vinan’asa kanefa tsy manana ny hoenti-manana ampy hanatanterahana izany. Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny hanampy ny tanora sy hanosika azy ireo mba hahatratra izay tanjona kendreny eo amin’ny fiainana. Hamolavolana azy ireo ihany koa ho lasa mpamorona sy mpitantana fa tsy hiankin-doha amin’ny fitadiavana asa foana.

Raha atao jery todika ny tomban’ny tetikasa Fihariana tamin’iny taona 2019 iny dia manodidina ny 27 000 ny isan’ny tanora nisitraka famatsiam-bola. Nahaliana ny maro ny fisian’ity tetikasa ity satria nahatratra hatrany amin’ny 110 000 mahery ny isan’ireo antontan-taratasy voaray ka ny 16 000 isa tamin’ireo ihany no nofantenana. Nisandrahaka tamina lalam-pihariana maro samihafa nanomezana famatsiam-bola raha tsy hitanisa fotsiny ny fambolena, fandraharahana madinika, fitanterana, ny varotra sy ny maro hafa. Nitontaly 19 Miliara Ariary ireo tetikasa efa nahazo famatsiam-bola.

Araka ny fanazavana nomen’ny sekretera mpanatanteraky ny tetikasa, Razafindravaka Valerie dia hotratrarina amin’ity taona ity ny hampitombo ireo mpahazo tombontsoa amin’ity tetikasan’ ny Filoham-pirenena ity. Raha tsy nisy afa-tsy 27 000 izany tamin’ny taon-dasa dia hampiakarina hatrany amin’ny 10 000 isa izany amin’ity taona 2020 ity. Vina apetraka ny hanatratra tetikasa miisa 50 000 isa any amin’ny taona 2024 izay niteraka asa manodidina ny 250 000. Tanjona ao anatin’izany ny hanomezana asa ho an’ny tanora. Hampiroboroboana ny fandraharahana eto an-toerana ary tena hahaleo tena tanteraka ny tanora Malagasy.

Hiova endrika ny Fihariana amin’ity taona ity

Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra hatrany dia hiova endrika kely tsy ho toy ny tamin’ny taon-dasa ny fizotry ny fifantenana sy ny famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa tsara vintana amin’ity taona 2020 ity. Hojerena araka ny karazany avy ireo tetikasa ary tsongaina ireo sehatra izay hita fa mihalefy eto Madagasikara. “Ny mampiova azy kely izany dia hisy ny fijerena an’ireo tetikasa isaky ny karazany avy. Ohatra , ny fiompiana tantely. Amin’izao fotoana izao rehefa jerena ny tantely dia efa manomboka tsy dia misy loatra. 

Amin’ity taona ity ny Fihariana dia hanampy ny mpandraharaha amin’ny tantely mba hampiakatra ny vokatra tantely eto Madagasikara zato taonina isan-taona. Ireo vokatra ireo dia haondrana mankany ivelany. Toy izay ihany koa ny vokatra ronono izay mamokatra 10 litatra isan’andro. Hiasa ny Fihariana hitady vahaolana hahafahana mampiakatra an’io vokatra io mba hahazo 25 hatramin’ny 35 litatra isan’andro ny mpiompy. Hisy ihany koa ny fanampiana ireo tantsaha any amin’ny Faritra Atsimo eo amin’ny fambolena voamaina”, hoy ny fanazavana voaray. 

Ankoatr’izay dia anisany fiovana hisy amin’ity taona ity ihany koa ny fananganana orinasa manokana izay hanodina ireo vokatra tena mampalaza ny faritra na toerana iray. “Any amin’ny Faritra rehetra dia hametrahana ozinina amin’izay ny vokatra tsy simba ary ireo tantsaha manana lalam-barotra bebe kokoa. Ohatra, any amin’ny Faritra Arivonimamo betsaka ny vokatra mananasy sy ny legioma, toy ny voatabia. Atsangana any ny orinasa mamadika ny voatabia ho lasa voatabia amin’ny boaty”, araka ny fanazavana hatrany. 

Fantatra fa efa nahitana lalam-barotra ny ankamaroan’ireo tetikasa novatsiana vola, raha mbola tsy misy kosa dia hikaroka lalam-barotra ny tompon’andraikitry ny Fihariana. Tanora mpianatry ny lisea miisa 600 no hofanina eo amin’ny sehatra famoronana sy fitantanana orinasa amin’ity taona ity.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés