Webradio

FANOLANAN-JANAKA : Zazavavy 15 taona niteraka tsy fidiny tamin-drainy niteraka azy

Ankoatra ireo  trangana  herisetra  mianjady  amin’ny  zaza tsy  ampy taona  tany  Andapa, dia  nahazoana  tatitra  ny  Polisim-pirenena teto  an-drenivohitra,  omaly  mahakasika ilay zazavavikely  tsy  ampy taona naolan’ny  rainy  ka  bevohoka.  21 février 2020

Voasambotra,  omaly  alakamisy  20 febroary,  teny  Ankadifotsy  ilay  raim-pianakaviana  rehefa   tafatsoaka ka  nokarohin’ny  Polisy  efa  ela. Natolotra ny  fampanoavana  rahateo koa ny  raharaha, omaly. 

Lehilahy  iray  manodidina ny  37 taona ity nosamborin’ny mpitandro filaminana  tamin’io fotoana io noho ny fanontana fady tamin-janany izao. Ny volana mey 2019 no efa   naharay fitoriana ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ao Tsaratanàna, nilaza fa zazavavy  vao  15  taona  no naolan’ny raim-pianakaviana tsy mataho-tody, satria dia zanany naterany ity nampiharany ny filàn-dratsiny ity. Ny rahavavin-drenin’ity zazavavy ity tamin’izay  no tonga nametraka fitarainana  teny amin’ny Polisy, saingy norahonan’ilay rangahy indray ka tsy nipoitra teny amin’ny Polisy intsony izy  noho  ny fahatahorana. 

Vokatr’ ilay fanolanana nitranga anefa dia bevohoka ilay zazavavy  ka teraka. Rehefa teraka ity  farany  dia niverina tany amin’ny Polisy indray izy  nanamafy  ny  fitoriana  sy nitantara ny zavatra nahazo azy. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy dia nikaroka ilay rangahy ka iny  tra-tehaka teny Ankadifotsy iny  ny  lehilahy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés